Auteur/autrice : Adnews

Fampiasana tambajotran-tserasera : Mila fitandremana fa mety hampigadra

Mila fitandremana ny fampiasana ireo tambajotran-tserasera satria misy ny lalàna velona mifehy izany sy ny sazy mihatra mifandraika amin’ny heloka. Voaaron’ny lalàna ny fahalalahana maneho hevitra, saingy voafetran’ny lalàna ihany koa izany. Nampahafantatra ny didy aman-dalàna mifehy ny fampiasana ny tambajotran-tserasera toy ny facebook, instagram, TikTok, sns ny polisim-pirenena, mifanaraka […]

TARATRY ny KANTO

Hisy ny fihaonan’ny zanak’i Menabe eto Antananarivo, hotontosaina rahampitso, eny amin’ny Villa Kalotody Andohanimandroseza, izay haka endrika lanonana sy fiaraha-misakafo. Hanafana ny fotoana ry Sylange Kilalaky, Thybaut ary Bekasety. Eo koa ny DJ Frunk, hanohy amin’ny fampandihizana. Maimaim­poana ary hanasan’ny fikambanana ireo zanak’i Menabe rehetra izany. Iraimbilanja, etsy amin’ny Piment […]

Fiovana sy fanovana : Tsy voaresaka loatra ireo fototra maha firenena

Matetika ny tontolon’ny politika sy ny toekarena no misongadina. Ny olombelona hanatanteraka ny fiovana, anefa, tsy mahafantatra na mahafantatra ihany fa amin’ny ampahany ny momba azy. Noho izany, tsy tokony hamaivanina ireo fototra. Mila lamina mazava ny fampitiavana sy famerenana azy ireny indray eny amin’ny fiarahamonina. Tsy hita taratra loatra, […]

Efa nisy ny fakan-kevitra…: Hisy fivoriamben’ny mpanao mozika rahampitso

Toy ny sehatra rehetra, nahitana fifohazana ihany koa ny zavakanto. Maro tamin’ireo mpanao mozika no teny an-kianja nandritra ireny fihetsiketsehana ireny, ka tian’izy ireo hitohy amin’ny asa mivaingana izany. Manaraka akaiky ny fivoaran’ny rahaharam-pirenena ihany koa ireo mpanakanto. Ho an’ ireo mpanao mozika manokana, maro izy ireo no tazana nilahatra, […]