Auteur/autrice : Adnews

Mampangorintsina ny mpankafy : Mitendry angorodao sy vatamaroafitsoka i Jean Piso

Manan-talenta ma­no­kana amin’ny fi­tendrena angorodao sy fiantsana ny gadon-kira tsapiky i Rebily Jean na i Jean Piso. Avy any An­dranokototo, Be­tio­­ky, faritra Atsi­mo Andrefana ny fiaviany. Anisan’ny namorona ny feonkira mitondra ny lohateny hoe: « Andra­nokototo » izy. Ampiasain’ny onjampeo maro ho feon-kira hanombohana fandaharana. Efa mpanakanto avokoa ny ankamaroan’ny fianakaviany, raha […]

Fikasihan-tanana… : Tsy faly amin’ny Emmo/Reg ny mpanao gazety

Naneho ny alahelony sy ny hatezerany ireo mpanao gazety teny an-kianja, omaly. Anisan’ny tsy nahafaly azy ireo ny fihetsiky ny mpitandro filaminana teny Ambohijatovo «Fanompana sy fakana an-keriny telefaonina ary felaka tehamaina. Mbola niampy fandefasana baomba mandatsa-dranomaso inefatra. Nihatra tamin’ny mpanao gazety ireo», hoy ny solontenan’ny mpanao gazety, nitatitra ny […]

VAOVAO TAMBATRA

Nisokatra kely ny tranombarotra vitsy teny Behoririka sy Andravoahangy, omaly. Nambaran’izy ireo fa tena tsy misy mihitsy ny fidiram-bolan’izy ireo nefa ny fandaniana isan’andro tsy maintsy aloa. Anisan’izany ny hofan-trano amin’ny toerana ivarotana, ny karaman’ny mpiasa, ny filana andavanandro ao an-tokantrano ho an’ny fianakaviana, sns. Nikatona indray izy ireo ny […]

Jirama Fianarantsoa : Tsy mitazam-potsiny ny fihenan’ny rano

Manoloana izao hain-tany mandalo eto amin’ny nosy izao, namoaka fanambarana ny orinasa malagasy misahana ny jiro sy rano, (Jirama) ao Fianatantsoa, omaly. Araka ny nolazain’izy ireo, tsy mitazam-potsiny ny orinasa amin’ny fihenan’ny tosaky ny rano miditra ao amin’ny « captage » Ankidona, fa misy ny asa fametahana tohodrano mba hahafahana manangona rano […]