Fotoana fikarakarana ny fanetsana ny varialoha izao. Eo koa ny fambolena legioma sy anana izay ilana rano daholo. Nirotsaka ny orana voalohany teto Antananarivo sy ny manodidina, omaly. Nanomboka ny fiafaran’ny tolakandro, ary nitohy ny alina, nahitana kotroka sy tselatra. Azo lazaina fa betsaka ny rotsakorana, satria efa naharitra ihany […]
Auteur/autrice : Adnews
TSELATRA
Mitohy ny fampiharana manerana ny boriborintany enina, eto an-dRenivohitra, ny hamehana manomboka amin’ny 8 ora alina hatramin’ny 4 ora maraina, nanomboka ny alatsinainy lasa teo. Hisorohana ireo mpanararaotra eny anivon’ny fiaraha-monina sy hitandrovana ny filaminan’ny tanàna izany. Dahalo mpangalatr’omby lavon’ny zandary tao Antanetilava, fokontany Igagarana, kaominina Miarinarivo, afakomaly. Nentin’ireo olon-dratsy […]
Befandriana Avaratra: Olona valo maty tototry ny tany
Mpitrandraka fasimainty miisa valo niara-namoy ny ainy tototry ny tany tao Marivoragna Angarongana, distrikan’i Befandriana Avaratra, afakomaly. Olona am-polony niara-niasa tao amin’io toeram-pitrandrahana io. Niharan-doza tampoka anefa izy ireo. Nihotsaka ny tany tamin’ny lavaka fitrandrahan’izy ireo harena an-kibon’ny tany. Nianjera avy hatrany tamin’ny toerana nisy ireo mpiasa ny tany. Olona […]
Fidinana an-dalambe: Samy hihetsika ny Gen Z sy ny mpanohana fitondrana
Mitohy ny fidinana an-dalambe ataon’ny tanora. Nirefodrefotra ny baomba mandatsa-dranomaso, omaly. Milaza ny hihetsika koa manomboka izao ny mpanohana ny fitondrana. Niafara tamin’ny fipoahan’ny lakrimozenina hatrany ny hetsika fitakiana nataon’ireo mpitolona eo anivon’ny Gen Z sy ireo mpiasam-panjakana, omaly. Maherin’ny 8 ireo naratra ka ankizy roa voa mafy. Renim-pianakaviana iray […]




