Manoloana ny goragora sy tandrevaka ataon’ireo mpitondra fiara, nanaitra ny sekoly mampianatra mamily fiarakodia rehetra ny Kaominina Antananarivo Renivohitra mba hanamafy hatrany ny kalitaon’ny fampianarana omena ireo mpianatra. Tsy mijanona amin’ny fahaizana mitondra fiara fotsiny ny fampianarana fa eo koa ny fanabeazana amin’ny andraikitra, ny fanajana lalàna ary ny fifampitsinjovana […]
Auteur/autrice : Adnews
Sekolin’ny baolina kitra JSEM : Mankalaza ny fahadimy taona nijoroany
Tontosa ny sabotsy sy alahady teo, tetsy amin’ny Kianjan’i Betongolo, ny ivon’ny fankalazana ny faha-5 taonan’ny sekolin’ny baolina kitra JSEM. Fotoana nifaninanana teo amin’ny baolina kitra ho an’ireo katitakely latsaky ny 13 taona. Miisa 94 ireo mpandray anjara tamin’izany. Amin’ny novambra 2026 ho avy izao ny famaranana ny fankalazana. «Tanjona […]
Ady amin’ny fampiasana vokatra misy paraky : Nasongadina ny fomba fiaina ara-pahasalamana
« Ndao hiady amin’ny fiankinandoha amin’ny nikotina, ny paraky ary ny sigara” ny lohahevitra nandritra ny fankalazana ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny tsy fihinanana paraky sy tsy fifohana sigara. Notanterahina tao Antsiranana ny hetsika. Natao hanentanana ny mponina hiaro ny fahasalamany sy handray anjara amin’ny ady amin’ny voka-dratsin’ny fifohana sigara. Nisy […]
Any Toliara: Hatsangana ny foibe itobian’ireo zaza varira
Manoloana ny famonoana olona varira nisesy, izay mampivarahontsana, mijoro hiaro azy ireny ny fanjakana. Hatsangana ny foibe hitobian’ireo zaza varira ary hahetsika ny ekipa mpiaro ny zon’ny zaza, manerana ny Nosy. Nandritra ny lahatenin’ny filohan’ny Fanavaozana ny Repoblikan’i Madagasikara (PRRM), ny kolonely Randrianirina Mickaël, no nilazany fa hatsangana ny toby […]
TARATRY ny KANTO
«Voambolana malagasy maha sadaikatra : fady sa azo tenenina ?». Lohahevitra hovelabelarin’ Ny Mpanabe Tsara mandritra ny Famoloana Telozoro, izay hatao rahampitso amin’ny 2 ora, etsy amin’ny Tranombokimpirenena Anosy io. Mahakasika ny teny malagasy disoana fanoratra anaty tambajotra kosa ny anjaran’i Ariela Fanoitra, poeta sy mpanoratra aorian’ izay. Tratra ny tanjona ho […]




