Auteur/autrice : Adnews

Pasitera Tsarahame Edouard: « Tena ilaina ny fiaraha-midinika »

Manoloana ny fivoaran’ny toe-draharaha politika, ankehitriny, nitondra ny heviny ny eo anivon’ny antoko RMDM, tarihin’ny pasitera Tsarahame Edouard. Niaiky ity farany fa misy tokoa ny savorovoro amin’ny fitantanana ny firenena. Nambarany fa anton’izany ny tsy fifandrifian’ny lalàna sy ny notakin’ny mpitolona. « Na­petraka araka ny lalàna, nifototra tamin’ny fahabangan-toerana ny mpitondra […]

Izany, hono, no malaza!

  Mahoraka indray aloha ny governemanta iaraha-mitantana. Sivy volana aty aorian’ny nandraisan’ny miaramila ny fahefana, hiverina tsikelikely amin’ny laoniny ny zava-drehetra. Toa hihavana daholo indray ny olon-drehetra. Havalona tsikelikely ny adilahy politika. Hiroso ny fifampiresahana an-databatra boribory. Iarahana indray ny dia mankany amin’ny fifidianana. Izany no malaza! Ny tonta no […]

Fikaondoham-pirenena : Hanangona sy handravona ny hevitra ny FFKM

Nofaranana tetsy Antanimena, tamin’ny alalan’ny fotoam-pivavahana iraisam-pinoana, ny fihaonambe notanterahin’ny FFKM, ho fanomanana ny fikaonandoham-pirenena. Vonona ny handray andraikitra amin’izany ny fiangonana, araka ny nambaran’izy ireo. Nanterin’ny filohan’ny FFKM, Mgr Ranarivelo Samoela Jaona, fa vo­nona hanatanteraka ny an­draikitra nankinina aminy amin’ny fikarakarana ny fikaonandoham-pirenena izy ireo. Antony nanatanterahina izao fihaonambe, […]