Dimy lahy mpanao asa ratsy toy ny vaky trano sy fanendahana voasambotry ny polisy tao amin’ny kaominina Antsirabe, afakomaly. Tratra teo am-panaovana ny asa ratsiny, tao Antsenakely, izy dimy mirahalahy ireo, tamin’ny 12 ora alina. Valo lahy ireo olona ahin’ireo lasibatra ho nandoro ny tanànany tao Morafeno, fokontany Ambatofotsy, kaominina […]
Auteur/autrice : Adnews
Mpandraharaha notifirin’ny mpamiliny : Nalefa eny Tsiafahy ilay nahavanon-doza
Naiditra vonjimaika eny amin’ny fonjan’i Tsiafahy, ny alarobia lasa teo, ilay lehilahy voarohirohy nitifitra nahafaty ny mpampiasa azy, tetsy Ambohibao, ny zoma 1 mey 2026 lasa teo, rehefa avy niakatra fampanoavana tetsy anivon’ny fitsarana Anosy, tamin’io andron’ny alarobia io. Efa amam-bolana maro no nanomanany iny vono olona mahatsiravina iny ka […]
Anosibe Zaivola : Fiara nivadika, olona roa naratra
Fiara an’olon-tsotra iray nivadika teny amin’ny lalambaovao, anatin’ny fokontany Anosibe Zaivola, boriboritany fahenina, lalana mihazo an’Ambohitrimanjaka, omaly maraina. « Hiakatra ho aty Antananarivo ilay fiara sady nandeha mafy », hoy ny angom-baovao voaray avy amin’ny polisim-pirenena nidina ifotony nijery ny zava-nisy. Nisy bisikileta nanapaka tampoka ka tsy voafehin’ny mpamily intsony ny fiara. […]
Miady amin’ny sakaizany : Tovolahy miisa telo nananton-tena
Mahazo vahana ny famonoan-tena tato ho ato. Voamarika fa ny lehilahy, tsy mahazaka olana ara-pitiavana, matetika no manao izany. Tovolahy iray nananton-tena teny Ampasimandinika, omaly. Telo ny tranga voaisa tanatin’ny herinandro vitsy. Tsy nahazaka olana ara-pitiavana teo aminy sy ny sakaizany, namono tena ny tovolahy iray fantatra amin’ny anarana hoe […]
Kolosaina sy tarazo: Lasa olon’ny finoana ny Malagasy ?
Manana ny maha izy azy, hono, ny Malagasy. Ilay na ireo maha izy azy, anefa, efa voazarazara ka zary manasongadina ny tsy azy. Miteraka fifandirana, fisarantsarahana, ady tsy mety tapitra… Iray amin’ireo mampiavaka ny Malagasy ny maha olon’ny fahalalana azy. An-tapitrisa taona no niainany ny tranga iray. Nisintonany fahalalana izany, […]




