Tontosa tetsy amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina, omaly alahady ny famaranana niadiana ny “Championnat des Nations”, taranja volley-ball sokajy U18 lahy sy vavy, faritra faha-7. Nandrombaka ity andiany voalohany ity, i Madagasikara 1 teo amin’ny vehivavy ary i Maurice ny lehilahy. Lavon’ny tovovavy malagasy, tamin’ny seta 3 no ho 0 (25/21 […]
Auteur/autrice : Adnews
VAOVAO TAMBATRA
Hanafatra gazoala mivantana avy any ivelany ny Jirama. Hamatsiana ireo toby mamokatra herinaratra mandeha amin’ny solika no hampiasaina azy. Misy ny fepetra manokana noraisina hanatanterahana ny fifanarahana famatsiana sy fividianana solika. Mandritra ny enim-bolana ny faharetan’ny izany. Natolotry ny minisiteran’ny Fambolena (MiASA) ny Fofifa ny masomboly vary nohatsaraina, nentin’ny filohan’ny […]
Fanatsarana ny fitaterana : Hisy fampiasam-bola mitentina 3 miliara euros
Natao sonia, ny 7 aogositra teo, teto Antananarivo, ny fifanarahana an-kitsim-po (Memenrendum d’entente-MoU), teo amin’ny minisitry ny Fitaterana sy ny famantarana ny toetr’andro, Andrianavalona Herizo, sy ny filohan’ny Antenimiera ara-toekarena ny GCC Canada-Dubai, Vincent Bernier. Votoatin’ny fifanarahana ny hanavaozana sy hanatsarana ny fotodrafitrasan’ny fitaterana eto amintsika. Laharam-pahamehana ao anatin’ny fohy […]
Dabolava Miandrivazo: Hanara-dalàna ireo mpitrandraka volamena
Nidina ifotony tany Dabolava, distrikan’i Miandrivazo ny Biraom-paritry ny Harena an-kibon’ny tany Menabe, ny 5 sy 6 aogositra teo. Nirosoana ny fampidirana anaty ara-dalàna ireo mpisehatra volamena, ka nananganana birao tokana. Hita miaraka ao ny sampandraharaha ny antontanisa avy any Morondava, ny Ivon-ketra Miandrivazo ary ny Foiben’ny Volamena eto Madagasikara […]
Lemaka Dabara : Velaran-tany 18 000 ha ho voatondraka
Nidina tany an-toerana, nitarika ny asa fanombohana ny fanarenana ny tohodrano Dabara sy ny fotodrafitrasa famatsiandrano sy ny lakandrano, ny minisitry ny Fambolena, Ramindo Gaëtan, ny herinandro lasa teo. Hampitombo ny voka-bary sy ny fambolena ny fahavitan’ity asa ity. Hanomboka ny asa fanarenana any amin’ny lemaka Dabara, faritra Menabe. Anisan’ny […]





