Auteur/autrice : Adnews

SOMBIM-BAOVAO

Hotanterahina anio, eny amin’ny Kianjan’ny CFFA Iavoloha, ny lalao hihaonan’ny Disciples FC Espoir Analamanga sy ny Valahara FC Vakinankaratra. Fihaonana izay tafiditra amin’ny fiodinana faharoa amin’ny fiadiana ny amboaran’i Madagasikara, taranja baolina kitra « Yas Coupe 2026. » Hotontosaina rahampitso, ao amin’ny Kianjan’ny Camp Nou, Espaina, ny fihaonanan’ny FC Barcelone sy ny […]

Rugby – Top 12 : Hiady tsy ho gisitra ny Savony sy ny Besetroka

Hotanterahina alahady, etsy amin’ny Kianja Makis Andohatapenaka, ny andro fahavalo amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja rugby “Top 12”. Hanamarika izany ny fifandonan’ny STM (Savony) sy ny UASC Cheminots (Besetroka). Hangotraka ny fihaonana satria hiady tsy ho gisitra ny roa tonta. Raha tsiahivina, mitana ny rambony ny Savony raha […]

“Lalao Olympika 2028” : Mpilalao 40 mahery hifantenana izay ho Barea, vehivavy

Tafiditra anatin’ireo firenena 35 hiatrika ny fifanintsanana hiadiana ny tapakila roa, hiatrehana ny Lalao Olympika, hatao any Los Angeles Etazonia, i Madagasikara. Hanomboka ny tapaky ny volana jona izao ny fanomanana. “Barea vonona…?”. Ani­san’ireo firenena eni­na hiatrika ny fihodinana voalohany amin’ny ady ta­pakilan’ny Lalao Olym­pi­ka 2028, any Los Ange­les Etazo­nia, […]

Asa fampihorohoroana aty Afrika: Mampiahiahy ny fisian’ny Okrenianina

Manamafy ny fanohanany ny firenena afrikanina toa an’i Madagasikara ny firenena Rosianina, ankehitriny. Ani­san’ny ifantohan’ny fiaraha-miasa ny ady amin’ny asa fampihorohoroana sy ny ara-miaramila. Miaramila malagasy 140 no nanaraka fiofanana, ka nahazo ny mari-pahaizana tamin’ny fahaiza-mitifitra, ny fampiasana « drônes », sns. Manamafy ry zareo rosianina fa mijoro ho sakaiza mahatoky. Anisan’ny […]

SYNAD: Olana ny tsy fampiharan-dalàna

“Tsy hoe ratsy ny fitsinjaram-pahefana”, hoy ny fanehoan-kevitry ny filohan’ny sendikan’ny administratera sivily (Synad), Ra­ko­ton­dramanana Solofota­hina Lalaina, teny Anosy, omaly, momba ny fitsinjaram-pahefana mahabe resaka amin’izao. Tamin’ny fitondran’ny Pr Zafy Albert, Repoblika III, nisy ny lalàna 94-007 sy ny 94 -008. Misy ny lalàna, fa tsy nampiharina. Aoka tsy hohadinoina […]