Auteur/autrice : Adnews

Sanganasan’i Bessa sy Lôla: Haverin’i Farakely sy i Rija Ramanantoanina

Efa nisy tamin’ny taona 2023… Ary hita fa tsara sy be mpankafy izany, ka hiverenana indray. Ilay fampiaraham-peon’i Farakely sy i Rija Ramanant­oanina, izay namerina ny sanganasan’i Bessa ranofotsiny io. Hatao ao amin’ny CCEsca toy ny mahazatra ny seho, rahampitso alahady 10 mey, manomboka amin’ny 3 ora tolakandro. Hibahana ny […]

Kabary – Fi.Mpi.Ma maneran-tany: Hotontosaina any Mahajanga ny Zaikabe

Vovonana fara-tampony eo amin’ny rafitra mifehy ny Fikambanan’ny mpikabary malagasy maneran-tany (Fi. Mpi.Ma maneran-tany) ny fanatanterahana ny Zaikabe. Ho an’ity taona ity, any Mahajanga ny ambohipihaonana. Hanomboka ny 27 jolay ka hatramin’ny 2 aogositra 2026 no hanatanterahin’ny Fikambanan’ny mpikabary malagasy maneran-tany (Fi.Mpi.Ma maneran-tany) ny Zaikabe any Maha­jan­ga. Io no rafitra fara-tampony […]

INDRAY MIJERY

Toy ny fanaon’ny Amadia isaky ny sabotsy, hisy ny hetsika ho an’ny ankizy sy ny tanora miaina miaraka amin’ny diabeta. Ao amin’ny Foibe Frenjy, akaikin’ny Clinique Amadia Faravohitra, ny toerana hihaonana amin’izy ireo. Ny diabeta sy ny maso no horesahina manokana. Hisy ny fizaham-pahasalamana faobe sy fitsapana HbA1C/ACR ary ny […]

Asa sy fampandrosoana : Manohana sy mampiasa ny voka-pikarohana ny Fanavaozana

Nifarana omaly, teny amin’ ny Oniversiten’Antanana­rivo, ny Fampirantiana ny fikarohana ho an’ny toekarena sy ny asa, andiany fahavalo. No­fantenana ny voka-pikarohana 40 mahery avy amin’ny toeram-pampianarana valo, eo anivon’ny oniversite mahakasika ny seha-pihariana sy sampam-pikarohana rehetra momba ny toekarena sy ny sosialy. Nandritra ny hetsika, nampifandraisina ny sehatra telo dia […]

Ady amin’ny mpox: Miara-miasa i Madagasikara sy i Etazonia

Manam-pahaizana momba ny fiparitahan’ny aretina avy amin’ny U.S. Centers for Disease Control and Prevention (CDC), ny Dr. Michael Kinzer. Nanatanteraka iraka nandritra ny efatra herinandro teto Madagasikara izy ary nanampy ireo mpiasan’ny fahasalamana eny ifotony amin’ny fiatrehana ny valanaretina Mpox. Nisy ny fiaraha-miasa isan’andro tamin’ny Cousp, izay rafitra nasionaly misahana […]