Auteur/autrice : Adnews

INDRAY MIJERY

Tsy mifanalavitra amin’ny zavatra natao tany am-pianarana sy nandritra ny famerenana ny laza adina niandry tamin’ny filozofia, ho an’ny mpiadina amin’ny fanadinana bakalorea, omaly maraina. Mathé­matique sy malagasy no atrehin’ny mpiadina anio tontolo andro. Manatitra sy maka ny mpiadina ny ray aman-dreny, isan’andro, noho ny zava-misy miseho amin’izao fotoana izao. […]

Fandriampahalemana an-dranomasina : Voavolavola ny tondrozotra iorenan’ny paikady

Naharitra telo andro ny fifanakalozan-kevitra sy fifampidinihana ary atrikasa nasionaly momba ny fitantanana sy ny fitandroana ny filaminana an-dranomasina eto Madaga­sikara. Hetsika natao tao amin’ny Foibe fanangonana sy fampivondronana ny vaovao an-dranomasina (CFIM) An­ka­ditoho, ny herinandro lasa teo. Natokana ho fampahafantarana ny vokatry ny asa nataon’ireo vondrona ny andro fahatelo […]

Tanora ao Manakara : Niofana hisehatra amin’ny asa maha olona

Notanterahina tao Manakara, nandritra ny efatra andro, ny fanofanana tanora hisehatra amin’ny asa maha olona. Hetsika mialoha ny loza sy fanentanana ara-pahasalamana eny anivon’ny fiarahamonina no natao. Fanofanana niarahan’ny Birao nasionaly misahana ny loza sy ny tandindon-doza (BNGRC), ny Tahirin’ny Firenena mikambana momba ny mponina (UNFPA) ary ny Fisa Madagascar. […]