Auteur/autrice : Adnews

ENS! Mpianatra 292 nahazo taratasy fanendrena

Nahazo ny taratasy fanendrena azy ho mpiasam-panjakana amin’ny sekoly hampianarany avy ireo mpianatra 292 tao Toliara, nahavita fianarana tao amin’ny “École Normale Supérieure” (ENS). Manana ny mari-pahaizana Capen izy ireo. Nohamafisin’ny minisitry ny Fanabeazam-pirenena fa laharam-pahamehana ho an’ny fanjakana ny fanabeazana sy ny fanohanana ireo mpampianatra izay andry iankinan’ny fampandrosoana […]

Infirmiera sy mpampivelona : Notokanana ny ivontoerana fanofanana

Nanan-jara ny tanora ao Toliara ny faran’ny herinandro teo. Misokatra ho azy ireo ny toeram-piofanana vaovao momba ny infirmier sy mpampivelona. Tsy voatery hiakatra aty Antananarivo intsony ireo mpianatra maniry ny handranto fianarana momba ny mpampivelona sy infirmiera fa efa misy ao Toliara. No­tokanana ny faran’ny herinandro teo ny ivontoerana […]

Hira, dihy mahavariana… : Haharitra adiny telo ny « MJ The legend show »

Eny amin’ny CCI Ivato, ny 26 avrily izao, manomboka amin’ny 3 ora tolakandro. Fampisehoana an-tsehatra nampitondraina ny lohateny « MJ The legend show » hamerenana sy iainana indray ireo mampiavaka an’i Michael Jackson na ilay « mpanjakan’ny « pop » », Ao anatin’ny adiny 3. Hanana endrikaa sy fizarana 3 lehibe. Ny fizarana voalohany, hiaka-tsehatra ry […]

« Tsapiky Festivaly » : Mpijery 70 000, mpanakanto 400 mahery no vory

Hetsika goavana, angamba goavana indrindra teo amin’ny tantaran’ny zavakanto tao Toliara iny « Tsapiky Festivaly » iny. Jery todika sy fintina. Harembakoka iraisam-pirenena tsy azo tsapain-tanana eo anivon’ny Unesco. Mety tsy tsapan’ny rehetra, saingy zava-dehibe miendrika fandresena hoan’ny zavakanto sy ny kolontsaina malagasy izay. Fanolorana tamin’ny fomba ofisialy ny tsapiky izay tafiditra […]

VAOVAO TAMBATRA

Nihaona tamin’ireo mpitatitra any Toliara, ny minisitry ny Fitaterana, Andrianavalona Herizo, ny 18 avrily teo. Voalaza fa ho hamoraina ny fahazoan’ny mpitatitra ny piesy sy ny kojakoja amin’ny fiarakodia. Hetahetan’ny mpitatitra ny hanarenana haingana ny lalam-pirenena. Noresahana ny tsy fandriampahalemana eny an-dalana, ny fisorohana ny lozam-pifamoivoizana, sns. Nifantoka tamin’ny laharam-pahamehan’i […]