Taorian’ny fiaraha-mientan’ireo mpikambana maromaro eo anivon’ny governemanta tany Toamasina dia azo tsapain-tanana ny vokatra. Anisan’izany ny teo amin’ny filaminam-bahoaka. Niha nihena ny asa ratsy taorian’ny fitsidihana sy fihaonana manokana tamin’ny polisy sy ny minisitra Erick Michel. Nivoitra nadritra ny fihaonana ny fiaraha-manombana ny ezaka efa natao sy nanomezana toromarika hiatrehana […]
Auteur/autrice : Adnews
Fanaparitahana laza adina hosoka : Efa nandraisana fepetra ireo voakasika rehetra
Ho hentitra ny fanaraha-maso ny fanadinana bakalorea. Anisan’ny ifotoran’ny tomponandraikitra ny ady amin’ny fiparitahan’ny laza adina. Miara-miasa ny polisy sy ny minisiteran’ny Fampianarana ambony Nanao sonia fiaraha-miasa, omaly, teny Anosy, ny minisitry ny Fampianarana ambaratonga ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa, Pr Ravonimanantsoa Ndaohialy Manda-Vy sy ny minisitry ny Filaminam-bahoaka, Inspecteur […]
TARATRY ny KANTO
Hisy ny fanomezam-boninahitra an’i Clarisse Ratsifandrihamanana. Hatao eny amin’ny Akademia Malagasy ny hetsika, rahampitso, manomboka amin’ny 2 ora sy sasany. Amin’ny maha mpanoratra sy olon’ny literatiora azy, nanamarika vanim-potoana teto Madagasikara no antony. Hiverenana horesahina mandritra izany ireo sanganasany maro. Tohin’ny fitokanana ilay efitrano fampirantiana mitondra ny anaran’i Clarisse Ratsifandrihamanana […]
Vao mainka atahorana ny piraty: Tsy afa-mivelatra ny tontolon’ny boky
Fanaovana dika mitovy na fisandohana an-karihary. Fotoana ela no efa niadiana tamin’ny fanaovana piraty. Hatramin’izao, tsy mbola mivaingana sy misongadina manoloana ireo tena tompon’ny sanganasa ny vokatra azo. Mitombo isa ny mpivarotra boky eny amoron-dalana. Rehefa tomorina akaiky, dika mitovy miloko avokoa no nanaovana azy ireny. Sady tsy nanonta ny […]
“Fagnontsafa” : Nanasongadinana ny kolontsaina betsimisaraka
Fanehoana firaisankina, fampahafantarana ny kolontsaina sy ny fomba amam-panao betsimisaraka ny “Fagnotsafa”. Fihaonambe ihany koa ho an’ireo zanaky ny faritanin’i Toamasina aty Antananarivo. Tontosa ny alahady teo ny “Fagnontsafa”, tetsy amin’ny Kianjan’ny Kanto Mahamasina. Hetsika iray natao hanasongadinana ny kolontsaina betsimisaraka amin’ny endriny rehetra izy ity, izay fikarakaran’ny Fikambanan’ny zanak’i […]





