Auteur/autrice : Adnews

“Mada dog show”: Chien de race 200 nandray anjara tamin’ny fifaninanana hatsarana

Tontosa tetsy amin’ny zone Zital Ankorondrano, ny faran’ny herinandro teo, ny hetsika “Mada Dog show”. Hetsika nokarakarain’ny Association des cynophiles de Madagascar (ACYM). Nana­tanterahana fifaninana hatsarana “concours de beauté” teo amin’ireo alika tsara karazana (chien de race) monina eto Madagasikara. Nanodidina ny 200 ireo alika tsara karazana nandray anjara tamin’ny […]

Mananjary: raim-pianakaviana hita faty nifato-tenda

Nezahin’ny mpitsabo navotana, lehilahy iray namoy ny ainy tao Mananjary, afakomaly. Nifatotra tamin’ny tady ny tendany. Maty tsy tra-drano ny raim-pianakaviana iray 41 taona tao amin’ny fokontany Ambatolambo, kaominina Mananjary, afakomaly. Nihantona tamin’ny tady tao amin’ny trano fonenany izy ny marain’io alahady 19 mey io. Niezaka namonjy azy ireo nanatri-maso. […]

INDRAY MIJERY

Sahirana ny mpiteraka sy ny mpiandry marary rehetra ao amin’ny Cenhosoa fa tsy mandeha ny rano. Voatery mivatsy avy any an-trano ny fianakaviana. Olana tsy vao izao no niseho izany fa efa amam-bolana maromaro, hoy ireo manana marary tsaboina ao. Filana fototra amin’ny asam-pitsaboana anefa ny rano ka tokony hovahan’ny […]

Mampivoatra ny mponina eny ifotony : nankalaza ny faha-30 taona nisiany teto Madagasikara ny Peace Corps

Nankalaza ny faha-30 taona nisiany teto Mada­gasikara ny Peace Corps, ny zoma lasa teo. Natao tetsy amin’ny trano fonenan’ny masoivoho amerikanina Am­baranjana ny lanonana. Nanomboka nisy teto Ma­dagasikara ny fikambanana, ny taona 1993. Milatsaka an-tsitrapo misehatra amin’ny lafiny fanabeazana sy ny fahasalamana ary ny fambolena manerana ny Nosy izy ireo. […]