Auteur/autrice : Adnews

Fiaraha-miasa: dingana vaovao iarahana amin’ny FMI

Vita ny iraky ny Tahirim­bola iraisam-pirenena (FMI) teto Ma­dagasikara, nandritra ny he­rinandro maromaro. Nisy ny tatitra natao mahakasika izany, niarahana tamin’ny mpikambana sasany ao amin’ ny governemanta, notarihin’ny minisitry ny Toekarena sy ny tetibola, Rabarinirinarison Ha­simbelo sy ny FMI, ny zoma 3 mey teo. Nifantoka tamin’ny Fam­pindramam-bola nohamoraina (Fec) sy […]

Banky iraisam-pirenena: ho manodidina ny 4,6% ny tahan’ ny fitomboan-karena

Anisan’ny firenena mahantra i Madagasi­kara. Tokony hihatsara anefa ny toekarena ho an’ny taona 2024-2026 raha omen-danja ny fampiasam-bola tsy miankina amin’ny harena an-kibon’ny tany, ny angovo, sns. Namoaka tatitra ny Banky iraisam-pirenena, ny avrily 2024 teo, manodidina ny fahantrana aty Madagasikara. Tsy mihetsika manodidina ny 79,7% ny tahan’ny fahantrana ho […]

TARATRY ny KANTO

Jimmy Harrison amin’ny ilay nahafantarana azy. Anjaran’ity mpanakanto mpanafana lanonana isan-karazany ity no mampiala voly etsy amin’ny Piment Café Behoririka, anio alina. Tsy misy tsy mihaiky ny talentany amin’ny famerenana hira vahiny sy malagasy, ary vao avy nihodina tany Frantsa niaraka tamin’ny tarika Gasy Band izy. Hihaona manokana amin’ireo mpankafy […]

ny tetikasa Kanto Manabe: mitohy amin’ny fianarana sary sokitra

Ny mahakasika ny sary sokitra indray no hiseharan’ny Tetikasa Kanto Manabe (TKM), mandritra ity volana mey ity, araka ny nambaran’ny tomponandraikitra. Mizara dingana telo ny fanatanterahana izany. Voalohany ny fampiofanana ireo mpilatsaka an-tsitrapo. Manaraka izany ny fiparitahan’ireo mpilatsaka an-tsitrapo voaofana, eny amin’ireo sekolim-panjakana sy toeram-pitaizana ankizy maro samihafa. Ao anatin’izany […]