Niresaka ireo laharam-pahamehana mahakasika ny fanabeazana ny minisitra ary nanasongadina ireo asa maika sy ny tatitry ny asa vita. Nandritra ny fihaonan’ny solombavambahoaka tamin’ireo mpikambana ao amin’ny governemanta ny faran’ny herinandro teo no niresahana momba ny fandraisana mpampianatra, ny tambin-karama, ny fampitaovana an-tsekoly ary ireo tetikasa fanabeazana tanterahin’ny minisitera. Nohazavain’ny […]
Auteur/autrice : Adnews
TARATRY ny KANTO
Notolorana mari-pankasitrahana manokana i Darya Poleschuk. Mpitendry piano rosianina, tonga nizara ny fahaiza-manaony sy ny traikefany tamin’ireo mpampianatra sy mpianatry ny Akademiam-pirenena misahana ny zavakanto sy ny kolontsaina na ny Anac izy. Manan-talenta, indrindra amin’ny mozika klasika ity mpanakanto ity, ka hanampy amin’ny fivelaran’ireo mpanakanto mpianatra eto Madagasikara aoriana kely […]
Académie Arts-Sciences-Lettres- France : Nahazo ny medaly volamena i Ilo Rakoto
Misongadina amin’ny maro. Nahazo ny mari-pankasitrahana fara tampony noho ny filofosany amin’ny mozika i Ilo Rakoto, mpiangaly piano, teratany malagasy. Nandingana tsikelikely ny zana-tohatra rehetra. Vaovao lehibe, kanefa tsy nahagaga ihany koa satria tena mendrika ho an’i Ilo Rakoto ny nahazoany ny medaly volamena avy amin’ny Académie Arts-Sciences-Lettres any France. […]
VAOVAO TAMBATRA
An-dalam-pananganana ny tobim-pamokarana herinaratra azo avy amin’ny herin’ny masoandro hamatsy ny Sekoly ambony ao Vontovorona ny Jirama amin’izao fotoana, hamaliana ny filan’ny mpianatra. Efa tafapetraka kosa ireo “onduleurs” sy takela-masoandro miisa 2600 raha toa ka efa ao Mandroseza ihany koa ny vata mpanova herinaratra. Andrasana amin’ity herinandro ity ny fifanarahana […]
Orange AINGA DATA : Azon’ny Orange Digital Center ny loka voalohany
Norombahan’ny Orange Digital Center ny amboara tamin’ ny fiofanana momba ny faharanitan-tsaina Artifisialy ho an’ny tanora malagasy. Nifantoka tamin’ny «Step Up Brain» na fametrahana vovonana hampivondronana sy hanadihadiana ireo antotan-kevitra ka ahafahana mandray fanapahan-kevitra ny tetikasan’ireo tanora. Nahazo ny «prix coup de cœur kosa ny Ecole Nationale de l’Informatique (ENI) […]





