Hatao mandritra ity volana oktobra ity ny fanofanana ireo mpamily fitateram-bahoaka amin’ny zotra rehetra manerana ny Nosy na nasionaly na rezionaly, tanterahin’ny antokon-draharaha misahana ny fitaterana an-tanety sy ny GPM. Tanjona ny hampihenana ny lozam-pifamoivoizana an-dalambe. Notanterahina isaky ny tobim-piantsonana teto Antananarivo sy ny manodidina izany mba hahafahana mandrakotra tanteraka […]
Auteur/autrice : Adnews
Rivodoza: vinavinaina hiseho amin’ny janoary 2024
Nisy atrikasam-pirenena ho fampahalalana ny vinavinan’ny taom-pahavaratra 2023-2024 nataon’ny Foibe famantarana ny toetry ny andro tamin’ity herinandro ity, teny Anosy. Hita ao anatin’ny vinavinan’ny taom-pahavaratra ny tombana mahakasika ny rotsakorana, ny maripana, ny vinan’ny rivodoza anatin’ny fito volana ho avy (oktobra hatramin’ny avrily) ary ny tomban’ny tandindon-doza. Momba ny rivodoza […]
Lycée Andranonahoatra : nametrahana fotodrafitrasa ahazoana rano madio
Niorina ny taona 2000, tany La Réunion, ny fikambanana Miaro, mitsinjo ireo taranaka malagasy nonina voalohany tany an-toerana. Nitarina taty Madagasikara ny asa ka sady manampy ny sekoly izy ireo no manohana ny tantsaha koa. Sahirana amin’ny fahazoan-drano ny mponina eny amin’ny cité akany Sambatra sy ny manodidina rehetra satria […]
Seces Sampana Antananarivo: manameloka ny fitanilan’ny mpitantana
Mitohy ny tolona satria tsy mbola feno ireo fepetra ahafahan’ny sendikàn’ny mpampianatra mpikaroka sy mpikaroka mpampianatra miverina amin’ ny asa fampianarana, araka ny fanambaran’ny biraon’ny Seces, sampana Antananarivo, taorian’ny fivorian’izy ireo. Manameloka ny fanaovana didy jadona sy gaboraraka ary ny fitanilana misy eo amin’ny fitantanana ny anjerimanontolo izy ireo. Neken’ny […]
Tatitry ny Instat : nihena ny tahan’ny fiakaran’ny vidim- piainana
Nahitana fihenana 8,5% ny tahan’ny fiakaran’ny vidim-piainana raha ny antontanisa nivoaka. “Nihena izany raha oharina tamin’ny volana avrily teo. Mbola misy fiakarana kosa ny vidim-bary eny an-tsena, indrindra fa ny vary hafarana”, hoy ny tale jeneraly Instat, Ndremitsara Tarzan. Nambarany ho anton’izany ireo mpanararaotra ka niantsoany ny tokony hanamafisan’ny tomponandraikitry […]




