Auteur/autrice : Adnews

Minisiteran’ny Mponina: mariky ny mangarahara ny fanaovana fanambaram- pananana

Tonga teny amin’ny birao mahaleo tena iadiana amin’ny kolikoly (Bianco) Ambohibao, omaly, ireo olom-boatendry manatanteraka ny asam-panjakana ao amin’ny minisiteran’ny Mponina sy ny fiahiana sosialy ary ny fampivoarana ny vehivavy. Anisan’ny andraikitra mila ataon’ireo olom-boatendry mitana andraikitra ambony ny fanambaram-pananana mba hisian’ny mangarahara amin’ ny asam-panjakana. Nanao izany fanambaram-pananana izany, […]

Filohan’ny oniversiten’Antananarivo: hiverina anatin’ny herinandro ny fampianarana eny Vontovorona

Nomen’ny minisitry ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa, profesora Assoumacou Beatrice Elia, baiko ny filohan’ny oniveri­ten’Antananarivo, profesora Ravelomanana Mamy, hanaraka ny dingana rehetra hamerenana ny fampianarana sy ny fanokafana indray ny sekoly ambony politeknika ao anatin’ ny herinandro. Nandritra ny fanazavana tao anatin’ny fandaharana isan-kerinandro “Tsy ho tompon-trano mihono” […]

Nesorina ny mpianatra, nakatona ny ESPA Vontovorona : mpianatra efatra hiatrika filankevim-pifehezana ny 20 marsa

Nesorina tamin’ny efitrano fandraisana ny mpianatra teny Vontovorona, omaly, ary nakatona ny sekoly ambony, araka ny toromariky ny mpitantana ny oniversiten’Antananarivo. Namonjy fianakaviana avokoa ireo akaiky fa ireo avy any amin’ny faritra sisa no afaka mijanona. Nanatrika ny fanesorana ny mpiasan’ny oniversite sy ny mpitandro filaminana. Mpianatra efatra eny amin’ny […]