Auteur/autrice : Adnews

FMMB: nankalaza ny andron’ny Baiboly

Nankalaza ny andro iraisam-pirenena ho an’ny Bai­boly ny Fikambanana mpiara-mamaky ny Baiboly eto Mada­gasikara, omaly, teny Antaninarenina. Nanasana ireo solontena isam-piangonana misy eto amin’ny Nosy, toy ny avy amin’ny Angli­kanina, Katolika, FJKM, Ad­vantsita…. Nahitana fikambanana maro samihafa ihany koa tamin’izany. Anisan’izany, ny mpiara- mamaky ny baiboly, fampirasaina kristianana rehetra ho […]

Firongatry ny aretina gripa: niverina ny fitondrana arovava orana any an-dakilasy

Mamely ny aretina gripa, sery, kohaka, sohika amin’izao fotoana izao. Namerina ny tokony hitondrana fitaovam-piarovana indray ny mpitantana rehefa miditra ny faritry ny sekoly. Nandray fepetra nanomboka tamin’ity herinandro ity ny sekoly tsy miankina amin’ny fanjakana eto Antananarivo manoloana ny fiparitahan’ny aretina gripa ka mamely ny mpianatra. Tsy maintsy mitondra […]

Fahaiza-mandaha-teny: hanamarika ny faha-15 taonany ny Madagaslam

15 taona nampahafantarana, nampiainana ary nizarana ny slam. Tsy handalo fotsiny izany hoan’ny fikambanana Madagaslam, fa homarihina amin’ny hetsika maromaro. Nanao valandresaka ho an’ny mpanao gazety tetsy amin’ny Institut Français Madagascar (IFM) Analakely ny fikambanana Ma­dagaslam, omaly. Nampa­hafantatra ny momba ny slam sy ny hetsika hotontosaina amin’ity taona ity izy […]

DJ Natoo: hitondra ny “Moonlight party”

Hafana indray ny fiarahana amin’ity faran’ny herinandro ity. Haneho ny maha izy azy ireo kalaza amin’ny fampandihizana sy fikosehana kapila miarahalahy, iarahana amin-dry DJ Cyemci sy DJ Natoo anio zoma 25 novambra. rahampitso kosa indray, hisy ny “Moonlight party” iarahana amin’ny DJ Natoo hatrany etsy amin’ny Ethnika Analakely, manomboka amin’ny […]