Ho fiatrehana ny lalao olympika ho an’ny tanora hatao any Sénégal, ny 31 oktobra hatramin’ny 13 novambra ho avy izao, hiatrika lalao fitsapana any Tunisie, ny Makis, ny herinandro ho avy io. “Ny ady tsy mora ”! Anisan’ireo taranja hifaninanana amin’ny lalao olympika ho an’ny tanora (JOJ 2026), hotanterahina atsy […]
Auteur/autrice : Adnews
Vaovao Tambatra
Mitentina 305 538 000 Ar ireo vary sy lafarinina nodorana tany amin’ny faritra Atsimo Andrefana. 2 664 ireo gonim-bary ary lafarinina 390 lasaka simba sy nalevina tao Andakoro, kaominina Betsinjaka, ao amin’ny distrikan’i Toliara II. May ny trano nitehirizana ireo entan’ny orinasa Velona Riz ka nahatonga ny fahasimbana. Naharitra telo andro ny fanaovana […]
Raharaham-panjakana: hirosoana ny teknolojia niomerika
Natao ny 7 sy 8 oktobra teo, teto Antananarivo, ny fivoriana mahakasika ireo Antokondraharaham-panjakana, orinasam-panjakana na tranombaro-panjakana. Eo ambany fiahian’ny minisiteran’ny Toekarena sy ny fitantanambola izy ireny. Nampahafantarin’ny talen’ny Fitantanana ny fiahiana ny Antokondraharaham-panjakana (DTEP), Ramatoa Rahasimbololomboahangy Ny Ako, ny mpivory ny momba azy sy ny rantsamangaika ao aminy. Miisa […]
Sekoly Maarif: hifantohana ny hoavin’ny mpianatra
Nohavaozina hifantoka bebe kokoa amin’ny hoavin’ny mpianatra any aoriana ny sekoly Maarif eny Faralaza Talatamaty. Tanjona ny hanamorana ny fiatrehan’izy ireo ny seha-pihariana dieny mbola any an-tsekoly. Nitsidika tampoka, ny alarobia teo, ny sekoly Maarif, ny talen’ny Ofisim-pirenena ny fampianarana tsy miankina (Onep), Razafimahefa Lanto Patrick. Mifanandrify amin’ny fanavaozana ny […]
Toekarena: hisokatra tsy ho ela ny rafitra ara-bola faha-17
Hanakaiky ny mpandraharaha, hamaly ny filany ary tomponandraikitra feno ho an’ny famatsiam-bolan’ny tetikasany. Ireo no fotokevitra telo hijoroan’ilay rafitra ara-bola madinika (microfinance) vaovao izay hisokatra tsy ho ela eto Madagasikara. Tetikasa tarihin’i Alexandre Mey, matihanina sy manana traikefa manodidina ny 30 taona teo amin’ ny sehatry ny banky eto Madagasikara […]





