Tafapetraka tamin’ny fomba ofisialy, omaly, ny VFM any Ambatondrazaka. Mitarika izany ny depiote Irmar, voafidy tany an-toerana, Andrianasolo Andrianiaina Jean Patrick. Nanotrona izany ny filoha lefitry ny Antenimierampirenena, Fidèle Razara Pierre. « Manohana ny Kly Randrianirina Michaël ny vahoakan’Ambatondrazaka », hoy izy. Maniry ny handray anjara amin’ny fampandrosoana ny Gen Z avy […]
Auteur/autrice : Adnews
Tandremo ny fandrika!
Misy afo miotrika hafahafa izany eto amin’ny tanàna. Mila fahamailoana sy fitandremana lehibe amin’ny zavatra rehetra hatao. Mivadika tsikelikely eny koa ny rasa, hany ka mampametra-panontaniana. Aiza teto ambonin’ ny tany ny hoe mitokona fa tratra nangalatra mijery tahirin-kevitra mandritra ny fanadinana. Potehina ny oniversité, midina an-dalambe sy mitora-bato mpitandro […]
Depiote Rajerison Antoine: “Manjavozavo ny ataon’ny fitondrana”
“Herintaona izay isika no tao anatin’izao fitondrana Fanavaozana izao, tsy mbola fantatra mazava hoe: haharitra firy taona izay Tetezamita izay? Tsy mbola hita soritra mazava izay hatao”. Io ny fanehoan-kevitry ny depiote voafidy tany Arivonimamo tamin’ny anaran’ny Fiovana ivoaran’ny eny ifotony (Fivoi), Rajerison Antoine, momba ny raharaham-pirenena. Raha nandray fahefana […]
Fiaraha-miasa iraisam-pirenena: mitaky ny fitokisan’ny vahoaka ny mpitondra ny OGP
Hitohy anio, etsy Ankerana, ny atrikasa handrafetana ny drafitrasa nasionaly momba ny fiaraha-miombon’antoka ho an’ny governemanta (OGP). Mitaky fepetra maromaro ny fanatanterahana izany. Nasongadin’ny minisitra misahana ny Fanavaozana, ny Me Razafimanantsoa Hanitra, ny maha zava-dehibe ny fifanarahana ara-moraly amin’ny famerenana ny fitokisan’ny vahoaka amin’ny fitantanana. Niantsony ny tsirairay izany mba […]
Fahapoizinana ara-tsakafo faobe: mpiasa am-polony naiditra hopitaly
Mpiasa am-polony amina orinasa iray etsy Ivandry tratran’ny fahapoizinana ara-tsakafo faobe, omaly. Naiditra ao amin’ny HJRA Ampefiloha ny 46. 39 ireo ao amin’ny CHU Andohatapenaka. Misy ireo nentina any amin’ny hopitaly tsy miankina, eny amin’ny Homi ary eny Anosiala Ambohidratrimo. Misy ny fanina, marary kibo, malemy, mandoa sy mivalana, anisan’ireo […]





