Auteur/autrice : Adnews

Fampakarana ny tahan’ny fandrakofana vaksiny: fokontany telo isam-bolana nisongadina tamin’ny fifaninanana

Nanomboka omaly ny fanaovam-baksiny miaro amin’ny kitrotro sy ny poliomelita, miaraka amin’ny fizarana vitamina A manerana ny faritra 23, ho an’ny zaza vao teraka hatramin’ny 59 volana. Efa nisy koa ny fifaninanana natao teny anivon’ny fokontany teto Antananarivo ho fampakarana ny tahan’ny fandrakofana vaksiny. Nampanao fifaninanana hanafainganina ny fa­na­o­vam-baksiny mandritra […]

Taratry ny kanto

Feno 125 taona tsy ho ela ny Akademia Malagasy. Izy no Akademia zokiny indrindra aty Afrika. Toy ny Akademiam-pirenena maneran-tany, « société savante » (scholarly/learned society) ny Akademia Mala­gasy, izay sehatra anolorana voka-pikarohana mahakasika ny tontolo sy ny lafim-piainana samihafa. Tokana ny Akademia Malagasy eto Madagasikara ary manana komity Akademikam-paritra izy. Mahaleo […]

Herinandron’ny HAVATSA UPEM: hanasongadinana ireo mpanoratra mpikambana

Hotanterahina ny 27 hatramin’ny 31 oktobra izao, eny amin’ny efitrano Dox Anosy, ny Herinandron’ny Havatsa Upem. Feno tanteraka ny fandaharam-potoana. Antom-pisian’izao hetsika izao ny fanasongadinana ireo mpanoratra mpikambana ao amin’ny Havatsa Upem, tafiditra ao anatin’ny fandaharam-pianarana vaovao. Hisy ihany koa ny fampirantiana ireo mpanoratra taloha sy am-perimpanoratana. Tafiditra anaty fandaharam-potoana, […]

«Makua Festival» andiany faharoa: hampiakarana ny lazan’i Toamasina sy ny mozika

Fiverenana avy naka bahana. Vonona amin’ny hetsika goavana faharoa ry Shyn sy Denise ary ireo mpanakanto maro izay ho vahininy amin’ity, MAKUA FESTIVAL andian’ny faharoa. Hotontosaina ny 29 oktobra hatramin’ny 1 no­vambra izao ny « Ma­kua Festival » any Toama­sina. Azo lazaina ho fiverenan’ny hetsika ity andiany faharoa ity, satria tsy nisy […]

Vaovao tambatra

Miisa 28 ny mpanangom-bolamena nandoa mivantana ny tamberim-bidy tany Antanimbary Maevatanàna, ny 27 septambra teo. Tany Betsiaka Ambilobe no nanombohana ny fandraisana eny ifotony ny tamberim-bidy amin’ny volamena, nahitana ny Fiadidiana ny fanavaozana ny Repoblika, ny minisiteran’ny Harena an-kibon’ny tany, ny Ivontoerana misahana ny volamena, ny biraom-paritra, sns. Efa aloa […]