Auteur/autrice : Adnews

Kolonely Randrianirina Michaël : “Tsy handroso raha tsy miverina an-doharano”

“Miverina an-doharano isika, raha te handroso”. Io ny nambaran’ny filohan’ny Fanavaozana ny Repoblika, ny kolonely Randrianirina Michaël, nitsidika tany Ma­hajanga, nandritra ny roa andro, tamin’ny fiandohan’ny herinandro. Nampirisika ny mpiasam-panjakana hanao fitafy malagasy izy amin’ny fankalazana ny 26 jona. Mba havela ny “costard”. Nisy ny fitokanana fotodrafitrasa vitsivitsy ao amin’ny […]

Tsy mpanao majia izy !

  Mahavariana ny Malagasy sasany. Manam-bola ho laniana amin’ny fifananejehana fa tsy mahafoy ho fanampiana ny namana. Mbola sarotra ilay fanavaozana hitondra any amin’ny fanatsarana ny toe-tsaina. Lany andro amin’ny ravindravina atentina, ka manadino fa misy ny tokony hifantohana misimisy kokoa. Tsy inona izany fa ny andavanandro sy ny adim-piainana […]

Antenimierampirenena : Misy miketrika ny hanolo ny solontenany ao amin’ny HCC

Namoaka fanambarana ireo mpitsara avo eo anivon’ny HCC, i Noelison William sy Rasolo Nandrasana Georges Merlin. Toherin’izy ireo marindrano ny fanapahan-kevitry ny Antenimierampirenena amin’ny hanoloana ireo solontenan’i Tsimbazaza etsy Ambohidahy. Miketrika ny hanolo ny solontenany eo anivon’ ny HCC ny ao amin’ ny Antenimierampirenena amin’ ity anio ity, raha tsy […]