Auteur/autrice : Adnews

Lehilahy voatifitra teny Namontana: hanao famotorana lalina ny tomponandraikitra

Taorian’ny resabe sy ny fitakiana ny marina nataon’ny mpanaraka tambajotran-tserasera momba ny faty olona teny Madera Namontana, ny alin’ny alakamisy 1 oktobra lasa teo, nanokatra fanadihadiana ny tomponandraikitra voakasika. Imasoana anatin’ity fanadihadiana ity ny hijerena manokana ny mety ho ni­sian’ny tandrevaka teo amin’ny mpitandro filaminana, ny andraikiny teny an-kianja. « Mba […]

Fantina sy fintina

Tsy azo ihodivirana ny hananantsika filo­ham-pirenena voafidim-bahoaka mialoha ny fahataperan’ ny taona 2027, araka ny nambaran-dRaderanirina Sendrison Daniel, omaly. « Fanasaziana vahoaka ny tsy fanatanterahana izany », hoy izy. Tsiahivina fa kandidà filoham-pirenena ny taona 2023 ny tenany. Nangina taty aoriana ary izao naneho hevitra izao indray. Nivoitra tamin’ny kongresim-paritanin’ny HVM, tany […]

Mila fitandremana

Mahoraka indray ny fanovana governemanta. Samy manao izay ho afany indray aloha ny mpanao ady sisika toerana. Manao ny fomba rehetra ahitana taratra ny maha izy azy avokoa ny mpanao politika. Nanome vahana azy ireo rahateo ny fanokafana varavarana nataon’ny filohan’ny Fanavaozana. Samy manao izay fomba ahafahany miditra an-tsehatra ny […]

FBF: hifantoka amin’ny tena fanavaozana eny ifotony

« Sahia manova”! “Na dia efa hita taratra aza ny ezaka ataon’ny fitondrana Fana­vao­zana eo amin’ny fotodrafitrasam-pampandrosoana, toy ny lalana, ny jiro, ny rano sns, dia mbola tsy vita ny tolona, indrindra ny toe-tsaina. Amin’ny maha tomponandraikitra voafidim-bahoaka anay dia hivondrona ho vato izahay, hiray hina, hanatanterahana ny fanovana eny ifotony […]

Fikaonandoham-pirenena: miroso amin’ny fanofanana santatra eny amin’ny distrika ny FFKM

Anatin’ny fanatanterahana tanteraka ny dingana ho an’ny fikaonandoham-pirenena ny FFKM. Misantatra izany ny fampiofanana eny amin’ny distrika. Nanomboka omaly hatramin’ny 30 oktobra ny fampiofanana santatra amin’ny fanomanana ny fikaonandoham-pirenena, araka ny fanambarana nampitain’ny mpandrindra nasionaly tarihin’i Amade Joseph, ny faran’ny herinandro teo. Distrika 6 nofidina iray isam-paritany no ha­naovana an’izay. […]