Auteur/autrice : Adnews

Fifandraisan-davitra: mitondra tolotra vaovao ny Orange Madagascar

Mivoatra hatrany ny sehatry ny fifandraisan-davitra ao amin’ny Orange Madagascar. Tolotra vaovao miisa telo indray no omen’ny orinasa nanomboka ny 1 oktobra teo hanohanana sy hamaliana ny filan’ny mpanjifa. Anisan’ireo sokajy ireo ny tolotra «Allo», ny «Akama +» ary ny «Mix Kopoze». Foana tanteraka ny fisokajiana ny internet amin’ny alina […]

Zotra an-dalamby: famatsiam-bola 100 tapitrisa dolara avy amin’ny AIIB

Hamafisina ny fiaraha-miasan’i Madagasikara amin’ny Vondrona Banky aziatika (AIIB). Hojerena manokana ny hanarenana ny zotra an-dalamby sy ny angovo madio. Nihaona manokana ta­min’ny filohan’ny Fi­kambanan’ny Banky aziatika ho an’ny fampiasam-bola sy ny fotodrafitrasa (AIIB), Ramatoa Zou Jiayi, ny delegasiona malagasy notarihin’ny minisitry ny Toekarena sy ny fitantanam-bola (MEF), ny Dr […]

Tselatra

Trano 18 tafo kila hotohoton’ny afo tao amin’ny fokontany Lavanono, Ankijaba, kaominina Fanambana, distrikan’i Vohemar, afakomaly. Niainga tamin’ny fipoahana vatoharatra tao amin’ny tokantrano iray ny afo. Potika avokoa ny entana tao amin’ireo tokantrano lasibatra. Mpandeha iray namoy ny ainy taorian’ny lozam-pifamoivoizana nitranga tao amin’ny fokontany Niere­nena Brickaville, afakomaly. Nandeha mafy […]

Nikasa hamaky trano: jiolahy iray voasambotra, nahitana basy kilalao

Lehilahy iray, 29 taona, voasambotry ny zandary teny Talata Volonondry, ny alin’ny sabotsy hifoha alahady 04 oktobra 2026, tamin’ny misasakalina, lasa teo. Nikasa hamaky trano iray teny an-toerana izy saingy voasambotra. Nahitana basy poleta, plastika, kilalao miloko mainty teny aminy. Niampy ireo fitaovana famakiana trano hafa izany, toy ny maritoa, […]