Auteur/autrice : Adnews

VAOVAO TAMBATRA

Nisokatra tamin’ny fomba ofisialy ny fivarotana lavanila maitso ho an’ny faritra Diana. Tanjona ny samy hahazoan’ny rehetra tombony. Nanentana ny hanajana ny kalitaon’ny vokatra ihany koa ny “Alliance régionale pour la vanille” mba hiantohana ny fanondranana sy hampidi-bola ho an’ny mpisehatra. Hamaritra ny vidin’ny lavanila kosa ny lalàn’ny tolotra sy […]

Ady amin’ny RAM : 5 400 ny matin’ny mikraoba anaty sakafo

Atao ny 26 sy 28 mey, eto Antananarivo, ny atrikasa hana­mafisana ny ady amin’ny tohitry ny mikraoba amin’ny fanafody (Ram). Mikarakara azy ny minisiteran’ny Tontolo iainana sy ny fampandrosoana lovainjafy (Medd), miaraka amin’ny minisitera samihafa voakasika (ny Fiompiana, Fambolena, Fampianarana ambony, Fahasalamana,…), ary ireo mpiara-miombon’antoka ara-teknika sy ara-bola (FAO, OMS, […]

RN1Bis: Hamboarina ny lalana mankany Maintirano

Ela ny ela! Anisan’ny nambaran’ny filohan’ny Fanavao­zana ny Repoblika, ny kolonely Randrianirina Michaël, tany Fandriana, fa hatao ihany koa ny lalam-pirenena RN1 Bis, eo Tsiroanomandidy hatrany Maintirano. Hanamboatra azy ny Vondron-tafika Jenia miaramila. Efa tonga any amin’ny seranan-tsambon’i Toamasina ny fitaovana vaventy fanamboaran-dalana avy amin’ny orinasa sinoa Tsingshan. Mirefy 377 […]

Fivelomana : Lany amin’ny sakafo ny 60% ny tetibolan’ny tokantrano

Lany amin’ny sakafo sy ny kojakoja samihafa fampiasa andavanandro ny antsasa-manilan’ny tetibolan’ny tokantrano malagasy. Midangana ny vidin’entana, kely ny vola miditra. Mitombo hatrany ny fahasahiranan’ny tokan­trano malagasy manoloana ny fiakaran’ny vidim-piainana. Araka ny antontanisa nivoaka tamin’ny fanadihadiana nataon’ny In­stat sy ny Banky iraisam-pirenena, maherin’ny 60% ny teti-bolan’ny isan-tokantrano an­ke­hitriny no […]

FANTINA sy FINTINA

Hopotsirina sy hofantarina mandritra ny fikaonandoha savaranonando eny amin’ ny CCI Ivato, anio, avokoa ireo lesoka sy ny tsara ho fantatra rehetra teo anivon’ny Ceni, araka ny nambaran’ny filohany, Rakotonarivo Thierry. Miisa valo ireo lohahevitra hodinihina, handraisan’ireo mpisehatra rehetra amin’ ny fifidianana anjara. Norasin’ny minisitry ny Raharaham-bahiny, N’Diaye Alice, teny […]