Mametraka ny anarany atsy Afrika ny ekipa malagasy miatrika ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, taranja tsipy kanetibe, sokajy lehilahy. Porofon’izany, tafita hiatrika ny lalao ampahefa-dalana eo amin’ny fifaninanana mitifitra «tir de précision» i Mamy Ronaldinho. Omaly vao niditra an-tsehatra ny ekipa malagasy eo amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, […]
Auteur/autrice : Adnews
Lehiben’ny fonjan’i Mananara Avaratra : Naiditra vonjimaika am-ponja ao Maroantsetra
Nipoitra ihany ny nafenina sy ny firaisana tsikombakomba amin’ny jiolahy mpamerin-keloka izay nahatonga ny fiakaran’ny tahan’ny tsy fandriampahalemana tao Mananara Avaratra, faritra Ambatosoa. Nifarana amin’ny fampidirana vonjimaika am-ponja ny lehiben’ny fonjan’i Mananara Avaratra izany, dia i Boto Elvis. Raha tsiahivina, nisy fanafihana mitam-piadiana Cash point nitranga tao amin’ny fokontany Andraokaraoka, […]
Fikaonandoham-pirenena : Mitaky ny hanadiovana ny tokotany ny Panorama
Tsy an-kiandriandry. Efa nanomboka ny fikaonandoha, amin’ny alalan’ny dinika Santatra, ny eo anivon’ny Paikady anorenana ny rahampitson’i Madagasikara (Panorama), natao teny Itaosy, ny herinandro teo. Anisan’ny voaresaka tamin’izany ny momba ny fanadiovana ny tokotany, mialoha ny fifidianana. Tafiditra ao anatin’izany ny lalàm-pifidianana tokana amin’ny alalan’ny fanavaozana ifotony ny fitantanana izany. Eo […]
INDRAY MIJERY
Hisy fandidiana maimaimpoana hydrocèle (Voa Be), hernie, ary famorana hatao ao Ambilobe, ny 25-29 novambra; ao Sambava, ny 1 ka hatramin’ny 4 desambra ary ao Antalaha, ny 5 ka hatramin’ny 9 desambra. Mikarakara ny hetsika ny fikambanana Fitefa. Afaka mangataka fanazavana sy misoratra anarana amin’ny laharana 032 44 119 20 ireo […]
Hetsiky ny minisiteran’ny Mponina : Ezahin’ny fitondrana hahaleo tena ny vehivavy
Tsy an-kiato ireo hetsika samihafa tanterahin’ny minisiteran’ny Mponina sy ny firaisankina, amin’ny alalan’ny minisitra, Raharinirina Sidonie. Anisan’izany ny fampiofanana ny vehivavy sy ny zatovovavy ho an’ny tao Ambohimahasoa, ny herinandro teo. Nifampizaran’izy ireo niaraka tamin’ny solontenan’ny minisitera sy ireo tomponandraikitra isan’ambaratonga ny fandraisan’ny vehivavy anjara amin’ ny fampandrosoana ny faritra […]




