Auteur/autrice : Adnews

VAOVAO TAMBATRA

Tafakatra 3 202,1 miliara Ar ny vola niditra tamin’ny fadintseranana tao anatin’ny 10 volana voalohan’ny taona 2025. Azo nandritra ny volana oktobra ny 382 miliara Ar tamin’io vola io. Mitentina 19 464,3 miliara Ar ny fifanakalozana ara-barotra iraisam-pire­nena tontosa nandritra ny 10 volana tamin’ity taona ity. Hatreto, mbola i Eoropa sy […]

“EPM 2025” : Hamoahana angon-kevitra

Hotanterahina manomboka ny volana desambra izao ka hatramin’ny volana marsa 2026 ny fanadihadiana maharitra eny anivon’ny tokantrano (EPM 2025), andiany faharoa, izay karakarain’ny minisiteran’ny Toekarena sy ny fitantanam-bola (MEF). Fitaovana fototra ahafahana manombana ny fari-piainan’ny mponina sy hamokarana ireo tondro sosialy sy ara-toekarena lehibe ampiasain’ny fanjakana ny EPM. Manampy amin’ny […]

Tetibola 2026 : Hiakatra 12,4% ny tahan’ny tsindrin-ketra

Vinavinaina hiakatra 12,4% ny tahan’ny tsindrin-ketra tsy afakaratsaka (taux de pression fiscale brute) ho an’ny taona 2026, araka ny volavolan-dalàna mifehy ny tetibola (PLFI). Tombanana ho lasa 5 026 miliara Ar ny fidiram-bolan’ny fadintseranana ho an’io taona hoavy io hanatsarana sy hanarenana ary hanavaozana ny toekarena. Ny 73,42% ny fampidiran-ketra anatiny […]

FANTINA sy FINTINA

Tokony hitandrina ny fitondram-panjakana ankehitriny manoloana ireo tsindry samihafa ataon’ ireo firenen-dehibe, araka ny fanehoan-kevitry ny mpanao politika, Paraina Auguste. « Tsy tongatonga ho azy ny niresahan’i Emmanuel Macron nandritra ny fivahinianany tatsy amin’ny Nosy Maurice ny toe-javamisy eto Madagasikara », hoy izy. Tsy mila PDS ny vahoakan’ny kaominina am­banivohitra Marovoay. […]