Auteur/autrice : Adnews

Fiverenana ifotony: Tsy maika ny fandikan-teny

Tany amin’ny Repoblika faharoa no nanezaka mafy tamina « fanagasiana », ny sehatra samy hafa teto Ma­dagasikara. Tsy nahomby izany, satria, nihazakazaka tany amin’ny fandikan-teny. Noheverina fa tsy ampy voambolana ny teny malagasy ka nampiana. Amin’izao vanim-potoana izao, mbola misy ny mpikaroka mbola manantitra hatrany fa ilain’ny Malagasy ny fandikana amin’ny teny […]

Edenia Chocolaterie: Namolavola matihanina amin’ny sokolà, maherin’ny 400

Sehatra iray mbola malalaka ao amin’ny hainahandro ny fitrandrahana ny sokolà. Nandritra ny 5 taona nisiany, namoaka matihanina maro ny Edenia Chocolaterie, ary mahatoky ny hoavin’ity sehatra ity. Fihaonambe ny sabotsy teo, tao amin’ny Edenia Chocolaterie. Tazana tao ireo olo-malaza sy olo-ma­nan-kaja, vory noho ny antony roa : ny sokolà sy […]

TSELATRA

Moto iray voafaokan’ny fiara tsy mataho-dalana iray teny amin’ny lalana By-pass, ny alahady 11 novambra lasa teo. Nisongona tany amin’ny ilany havian’ilay fiara ilay mpitondra moto. Efa nandefa fampahafantarana hivily any amin’ny ankavanan-dalana anefa ilay fiara. Renim-pianakaviana iray teraka an-dalana tao Verrerie, kaominina Toamasina, ny alin’ny alahady hifoha ny alatsinainy […]

Tovolahy voatifitra teny Andranoro : Mitaky ny marina ny fianakavian’i Nekena

Nilanja sorabaventy teny anoloan’ny minisiteran’ny Fitsarana, eny Faravohitra, omaly, ny fianakavian’ny lasibatra nandritra ny poa-basy nahafatesan’olona teny An­dranoro. Mitaky ny fandrasain’andraikitry ny fitsarana ahafahan’ny marina mivoaka momba ny nahafaty ny fianakaviany izy ireo, araka ny fanazavana voaray teny an-toerana. « Tsy nangalatra na nandroba ny havanay kanefa notifirina ary niafara tamin’ny […]

Fanakanan-dalana – RN4 : Jiolahy iray maty voatifitra

Lavon’ny tifitry ny zandarimaria, nandritra ny fisafoana tao amin’ny kaominina Ambondromamy, distrikan’Ambato-Boeny, afakomaly, ny jiolahy iray. Manoloana ny fitarainana voarain’izy ireo eny anivon’iny faritra iny, nanao paikady manokana tamin’ny alalan’ny fisafoana alina eny amin’ny manamorona ny lalam-pirenena faha-4 ny zandary miasa eo anivon’ny vondron-tobim-paritra ao an-toerana. Nifanehatra tampoka tamin’ny mpanao […]