Auteur/autrice : Adnews

Lozam-pifamoivoizana : Lehilahy iray voadonan’ny 4×4

Nitrangana lozam-pifamoivoizana naharatrana raim-pianakaviana iray teo am-panaovana ny asany, tao amin’ny toerana fanaovany “soudure”, tao amin’ny fokontany Morafeno, Toamasina, ny tolakandron’ny talata teo, tokony ho tamin’ny 2 ora. Voatrongin’ilay fiara ny garazy sy vavahady ary voatsindry tao ny moto iray teo amin’ny sisin-dalana. Raha ny an­gom-baovao, hanatitra mpianatra mihitsy ity […]

Fanefana trosa : Miantso fifampiresahana amin’ny Cnaps ny SMGD

Nitondrana fanazavana, taorian’ny fanambaran’ny tale jeneralin’ny Cnaps, ny eo anivon’ny SMGD. Voaresaka ny momba ilay trosa mitentina 11 miliara Ar. «Tsy mitsoaka velively amin’ny famerenana ny trosa ananan’ny Cnaps aminay izahay. Man­gataka kosa anefa ny fifampiresahana ho famahana ny olana », hoy ny tale jeneralin’ ny SMGD, Andriamana­niony Thierry. Nohamafisiny fa tsy […]

FANTINA sy FINTINA

Nametrahana tsangambato ahitana ny sarin’ny amiraly Didier Ratsiraka mianakavy ao Vatomandry. Tafiditra amin’ny fahatsiarovana ny 4 novambra, daty nahaterahany izany. « Tranokely vita amin’ny fomba nentim-paharazana no nilatsahan’ny tavoniny. Niainga tamin’ny kely indrindra izy ary nisondrotra ka lasa filoham-pirenena », hoy ny zanany, Ratsiraka Sophie. Hitsidika ny atsy Maorisy ny filoha frantsay, […]

Famahana krizy – HCDDED: Araka ny hetahetam-bahoaka ny soso-keviny

“Tsy miala amin’ny hetahetam-bahoaka ny soso-kevitra. Mizara dingana telo lehibe izany farafahakeliny”, hoy ny fanazavan’ny filohan’ny Filan­kevitra ambony miaro ny de­mokrasia sy ny fanjakana tan-dalàna (HCDDED), Rana­dialison Angelo. Taorian’ny fi­tsidihana ara-pomba fifanajana tamin’ny filohan’ny Fanavao­zana ny Repoblikan’i Madaga­sikara, ny Kly Randrianirina Michaël, teny amin’ny Lapam-panjakana Iavoloha, tamin’ity herinandro ity no […]

Miandriandry manana entina

  Hanao ahoana ihany ny ho tohin’izao toe-draharaham-pirenena izao? Fanavaozana na fanovana no hoe atao. Fanovana rafitra fa tsy fanovana olona; eny, na eo aza ny hoe: mila miova na ovaina aloha ny olona: izay miova no afa-kanova. Miova fomba fisaina sy fijery izany, fomba fiasa… Tsy maintsy atrehina izay. […]