Auteur/autrice : Adnews

Kihon-dalan’ny kabary malagasy : Ranoromampionona Voary, filoha vaovaon’ny Fi.Mpi.Ma maneran-tany

Anisan’ny andro lehibe nandrasan’ny tontolon’ny kabary ny omaly. Fotoana nanatontosana ny fifidianana izay hitantana ny Fikambanan’ny mpikabary malagasy maneran-tany, manomboka izao. Nandritra ny Zaikabe faha-6 nifarana omaly, tany Mahajanga no nanatanterahina ny fifidianana izay ho filoha hitondra ny Fikambanan’ny mpikabary malagasy maneran-tany na ny Fi.Mpi.Ma maneran-tany. Fi­renena 31 no nahitana […]

FANTINA sy FINTINA

Tsy midika ho fahatahorana an-dRavalo­manana Marc ny nandraisan’ny filohan’ny Fana­vao­zana azy teny Iavoloha, araka ny nambaran’ny depioten’i Betroka, Randrianasolo Nicolas, omaly. Namba­rany fa fihetsika natao ho amin’ny fitoniana sy ho an’ny tombontsoam-pirenena izany, miaraka amin’ny filoha teo aloha, Rajaonarimampianina Hery. Mitaky mpandika teny rehefa fotoan’ny fampielezan-kevitra ireo manana olana amin’ny […]

Fanatsarana ny Araben’ny Fahaleovantena : Hanoratra tantara ireo mpitantana ao Toamasina

Hametraka tantara ireo mpitantanana ao Toamasina. Anisan’izany ny lehiben’ny Fa­ritra sy ny ben’ny Tanàna. 68 taona aty aoriana, nahavitan’ny Araben’ny Fahaleovan­tena, hisy ny fanatsarana hatao. Omena endrika vaovao ny toerana, araka ny nambaran’ireo nandaha-teny, tamin’ity herinandro ity. Heverina hisarika mpizahatany ny endriky ny tanàna ary maha te- honina. Toamasina amin’ny endriny […]

Manolotra ny ainy

Nahoraka, omaly, ny fanambarana nataon’ny Filohan’ny Fanavaozana fa mamono tena izy miady amin’ireo mpambotry firenena. Anisan’ireny ireo mpandraharaha goavana, manao ampihimamba ny harem-pirenena sy fitazomana ny sehatra iankinan’ny ain-dehiben’ny Malagasy. Raha tsiahivina, tapitra omaly ny fe-potoana nomeny ny Enelec, amin’ny olan’ny jiro sy rano amin’ny faritra izay hiasan’izy ireo. Aiza […]

Filoham-panjakana, Randrianirina Michaël: « Ilana fahasahiana ny miteny ireo vahiny mpandraharaha »

Hentitra sy nahitsy ny filoham-panjakana, ny Kly Randrianirina Michaël manoloana ireo vahiny mpandraharaha eo amin’ny sehatry ny herinaratra. Anisan’ny nivoitra tamin’ny fihaonany amin’ny Malagasy miasa sy monina any Egypte izany, afakomaly. Nambarany fa misy dikany matoa tsy nahasahy niteny momba ireo vahiny mpandraharaha sady matanjaka, misahana ny herinaratra, ireo mpitondra […]