Auteur/autrice : Adnews

« Grand salon de la santé » : Hanomezana tolotra ara-pahasalamana

Mikarakara hetsika ara-pahasalamana maro ny Lion’s Club Antananarivo Santatra New Century sy ny Leo Club Antananarivo Mitantsoa, miaraka amin’ny SR event sy ny groupe Infinity. Ny sabotsy sy ny alahady no hanatanterahana izany, eny amin’ny Parvis Analakely. “Tsy voafetra ny olona andrasana fa ho voaray daholo ireo tonga manatona mandritra […]

Fanofanana niomerika : Hiara-hiasa ny Orange Madagascar sy ny METFP

Ho fanatsarana ny fisitrahan’ny tanora fiofanana arakasa sy ny fahaiza-manao niomerika eto amintsika, hiara-hiasa ny orinasa Orange Madagascar sy ny minisiteran’ny Fam­pianarana teknika sy ny fanofanana arakasa. Nifampidinika momba ny tohin’ny fiaraha-miasa eo amin’ny roa tonta, tamin’ity herinandro ity, ny minisitra Andriamampandry Todisoa Manampy sy ny talen’ny fifandraisana sy ny […]

Fanavaozana ny fandaharam-pibeazana : Tanjona ny hanangana olom-pirenena vanona feno fahalalana

Mampahafantatra ireo tsara ho fantatra mahakasika ny fanavaozana ny fandaharam-pibeazana na ny PE ny fanjakana. Mikendry ny hanatsara ny kalitaon’ny fanabeazana hifanaraka amin’ny fianarana sy ny kalitaon’ny fiarahamonina sy ny tontolon’ny asa… Mitondra fanazavana ny minisiteran’ny Fana­be­zam-pirenena ma­ha­kasika ny fanatsarana lehibe entin’ny fandaharam-pi­beazana izay mihatra manomboka amin’ity taom-pianarana vaovao 2026-2027 […]

Mpanao Teatra malagasy : Hanangana vovonambe nasionaly

Manatsara hatrany ny fototra ny Malagasy mpanao teatra. Hiditra amin’ny fananganana vovonambe nasionaly izy ireo. Amin’ny alalan’ny fivoriana izay hiantsoana ireo Malagasy mpanao teatra rehetra, anio, no handinihina ny fananganana izany. Ny Ofisim-pirenena misahana ny zavakanto sy ny kolontsaina (Ofnac) no mikarakara ny fiantsoana, hanasany izay rehetra voakasika amin’izany ho tonga […]

« Forum international des cultures-unies » any Russie : Nitondra ny anjara birikiny ny solontena malagasy

Hetsika ara-kolontsania iraisam-pirenena anisan’ny lehibe indrindra ny « Forum international des cultures-unies ». Manana solontena manatrika izany i Madagasikara. Efa nisokatra tamin’ny fomba ofisialy ny alakamisy lasa teo ny andiany faha-12 amin’ny «Forum international des cultures-unies» fanao any Saint-Pé­tersburg, Russie, ka mitohy hatramin’ny anio. Hetsika marolafy manodidina ny ko­lon­tsaina maneran-tany no […]