Auteur/autrice : Adnews

« Festival » isam-paritra : Mbola lohany ny « Sômaroho ! » any Nosy Be

Mbola anatin’ny lazany. Tsy azo iadian-kevitra fa raha tsy voalohany, dia anatin’ny «festival» isam-paritra malaza indrindra ny «Sômaroho!». Fahombiazana tamin’ny ankapobeny, raha natao bango tokana ny niseho nandritra ny dimy andro, izay nifarana ny alatsinainy maraina teo, tao amin’ny Kianjan’Ambodi­voa­nio, Nosy Be. Alatsinainy efa mazava andro toy ny mahazatra vao […]

Tao amin’ny tarika Ny Nanahary: Mankalaza ny 60 taona an-tsehatra i Nanah

Tarika nanana ny lazany tany amin’ny taona 60 Ny Nanahary. Nisy feon’andriambavilanitra nisongadina koa tao, izay mankalazana indrindra ny 60 taona niakarany an-tsehatra amin’ity. Mbola milomano anatin’ny mozika i Nanah. «Mamindra fo ami­ko». Hira fiderana malaza hatramin’izao, izay nanasongadina ny feon’i Léa Randriamifidy na i Nanah. Mpikambana tao amin’ny tarika […]

FANTINA sy FINTINA

Naneho hetsika teny By Pass ireo ben’ny Ta­nàna miisa 26 avy eny amin’ny distrika Atsimondrano. Tanjona ny hampiroboroboana ny fihavanana eo amin’izy ireo sy hanampiana ireo fianakaviana sahirana amin’izao fidiran’ny mpianatra izao. Nambaran’ny filohan’ny Anteni­mi­eran­do­holona, fa zava-dehibe ny fihavanana amin’ny fampandrosoana. Noraisin’ny filohan’ny Antenimierampirenena, Tokely Justin, teny Ivato, ny sekretera […]

Fanamafisana ny fitsinjaram-pahefana : Hisitraka tombana momba ny fitantanana ny kaominina

Nampahafantarina ny herinandro teo, tetsy Anosy, ny boky Tombana anatin’ny tondron’ny fitantanana ifotony (Tatfi – AEIGL). Tafiditra amin’ny ezaky ny eo anivon’ny mi­nisiteran’ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany (MFFT) ho amin’ny fanamafisana ny fitsinjaram-pahefana miabo izany. Eo koa ny fampandrosoana ny eny ifotony. Dingana iray vita amin’ny alalan’ny Drafi-pirenena […]

Mila asa mivaingana

Raha miady sy mifanasa vangy toy inona aza, ohatra, ny ao an-tokantrano, milamina sy mangina ho azy raha vao misy mandondona ao am-baravarana. Sao fahavalo iombonana na mitondra soa iraisana. Miray hina ho azy izay miady raha vao misy fahavalo iombonana? Na soa miditra; eny, na hoe mety iadiana sy […]