Nitondra fanazavana ny sekreteram-panjakana miadidy ny Tanàna vaovao fa hanomboka ny 15 aogositra izao ny fisokafan’ny zotra an-tariby mampifandray an’Anosy amin’Ambatobe. Io no fanokafana amin’ny fomba ofisialy ary hitohy ho an’ny daholobe izany manomboka ny 16 aogositra. Ho fanazarana ny mponina amin’ny fampiasana ity zotra ity no hatao ety am-piandohana. […]
Auteur/autrice : Adnews
Faritra Boeny: Entanina hahaleo tena ara-pivelomana ny vehivavy
Mangetaheta fivoarana ny vehivavy ao amin’ny faritra Boeny. Nitondra fampiofanana ny fanjakana hampiakarana ny lentan’ny fidiram-bola sy hampahaleovan-tena azy ireo ara-pivelomana. Nampiofana ireo fikambanam-behivavy ao amin’ny faritra Boeny ny minisitry ny Asa sy ny fampanananasa ary ny asam-panjakana, tamin’ity herinandro ity. Maherin’ny 50 ireo fikambanana nisitraka izany fiofanana izany. Tanjona […]
Giovanni Jimalison: Mila sahy miantsehatra mitondra fanovana ny tanora
Fotoana hiseharan’ny tanora amin’ny tontolo politika sy fiarahamonina izao. Nivoitra izany nandritra ny fanehoan-kevitr’i Giovanni Jimalison, maintimolaly ao amin’ny Yali RLC Dakar, nandritra ny resaka natao tao amin’ny e-talk. “Anisan’ny tena imasoan’ny firenena maneran-tany ny fandraisan’ny tanora an-tanana ny firenena sy ny sehatra maro mba hitondra fanovana”, hoy i Giovanni […]
TARATRY ny KANTO
Anio ny « Manala azy tanora zokiny ». Manome fotoana ireo mpanaraka azy hatramin’izay ny Olombelo Ricky sy ny tariny, etsy amin’ny Sainte Famille Mahamasina, manomboka amin’ny 2 ora tolakandro. Ora vitsivitsy hiverenena an-kira ireo vanim-potoana nanamarika fiainana maro izany, ho an’ireo eny an-tsehatra, fa indrindra ho an’ireo mpankafy. Toy ny isan-taona, […]
Finoana – Kolontsaina – Tantara…: Manana ny lanjany ny FJKM Ambohimamory
Ambohimamory, vohitra iray tsy afa-misaraka amin’ny tantara nisy teto Imerina. Niara-dalana tamin’izany ihany koa ny fiorenan’ny fiangonana FJKM Ambohimamory Malala Orimbato tany amin’ny taona 1869. Tantara roa lehibe mifanindran-dalana hatrany ka mahatonga ny taranak’ity fiangonana ity haneho fa manana ny lanjany eo amin’ny tontolon’ny finoana, kolontsaina, zavakanto, sns, io fiangonana […]




