Ny tombokavatsa na tatoazy, na dia mahazatra aza, mety hiteraka olana ara-pahasalamana raha tsy atao ao anatin’ny fepetra ara-pahasalamana tsara indrindra. Ny risika lehibe indrindra dia ny areti-mifindra amin’ny hoditra, bakteria na viriosy (hepatitis B, C, VIH). Na lamaody aza ny tatoazy mila fitandremana fatratra ny manao azy. Vao tsy […]
Auteur/autrice : Adnews
Tsimbazaza : Miroso ny fanarenana ny valan-javaboahary
Nanatanteraka fanadiovana faobe tao amin’ny valan-javaboahary tsimbazaza ny ekipan’ny minisiteran’ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa, ny faran’ny herinandro teo. Tafiditra ao anatin’ny hetsika fanarenana ity valan-javaboahary ity ny hetsika izay efa nanaovana ezaka manokana mihitsy taorian’ireny fahaverezana sokatra sy baranahiny teo aloha ireny. Efa mitsangana ny vaomiera iraisan’ireo minisitera […]
Faritra Alaotra Mangoro : Nofanina ireo mpandraharaha
Herinandro ny fampiofanana nomena ireo mpandraharaha ara-pambolena sy fiompiana natao tao amin’ny faritra Alaotra Mangoro, ny herinandro teo. Nisy ny fidinana ifotony nataon’ny minisiteran’ny Asa sy ny fampanan’asa ary ny asam-panjakana tao amin’ny fikambanana Edugascar sy ny teknisianina. Nijery ny zava-misy sy ny fomba fanao entina hamokarana vary sy hiompiana […]
Faritra Matsiatra Ambony: Misokatra ny fanamarihana ny iray volan’ny fiahiana sosialy
Hetsika maro manerana ny Nosy no hanamarihana ny volan’ny fiahiana sosialy amin’ity volana mey ity. Voizina ny firesahana ny rejistra sosialy tokana izay mari-drefy ampiasaina manomboka izao. Notanteraina tao Fianarantsoa, ny faran’ny herinandro teo, ny fanokafana tamin’ny fomba ofisialy ny iray volan’ny fiahiana sosialy, izay notarihin’ny minisitra Razafinjato Aurélie. “Firaisankina […]
Inter-Media 2025 – Tsipy kanetibe: Norombahin’ny Newsmada ny amboara
Tontosa ny sabotsy lasa teo, tetsy amin’ny kianja Barea Mahamasina, ny fifaninanana ho an’ny orinasa fanaovan-gazety “Inter Media 2025”. Fihaonana nokarakarain’ny holafitry ny mpanao gazety sy ny fikambanan’ny mpampahalala vaovao ara-panatanjahantena (UJSM). Norombahin’ny ekipan’ny Newsmada 1, nahitana an’i Andotsiresy sy i Jean Rina, ny amboara iray lehibe sy ny medaly […]




