Auteur/autrice : Adnews

VAOVAO TAMBATRA

Miisa 63 567 ireo mpizahatany tonga teto Madagasikara nandritra ny telo volana voalohan’ny taona 2025. Tafakatra 780 626 430,4 tapitrisa dolara na koa 3 548 598 190 414,5 Ar ny vola azo avy amin’ny ity sehatra ity nandritra ny taona 2024, izay nandraisana mpizahatany mitotaly 316 873. Mandray anjara amin’ny fampiroboroboana ny toekarena sy miteraka asa ny fizahantany. […]

SIGNRF – Fitantanana : Manamora ny fandoavam-bolam-panajakana

Dingana vaovao ao anatin’ny politikam-pitantanana ny volam-panjakana ny fampiasana ny niomerika sy ny fiaraha-miasa amin’ny sehatra tsy miankina. Nampahafantarana tamin’ny fomba ofisialy ny zoma teo, teny amin’ny Novotel, ny fitaovana ahafahan’ny olon-tsotra mandoa ireo vola tokony ho aloany eny anivon’ny biraom-panjakana ankoatra ny hetra. « Système d’information de gestion des recettes […]

Brickaville: Ravan’ny zandary ireo mpamotika ala

Saron’ny zandary ny herinandro teo, ireo jiolahy mpamotika ny ala arovana ao Andavakomena, kaominina ambanivohitra Andevoranto, distrika Bricakaville. Maro ireo mitaraina noho ny afitson’ireto tsy mataho-tody ireto, antony nandraisana ny fepetra. Nody ventiny ny rano natsakaina ka nahafahana nisambotra ireo olon-dratsy mpanimba ny harem-pirenena, iray lakambe. Fantatra tamin’ny fanadihadiana fa […]

Fampandrosoana ny toekarena : Hamatsy vola ny TPME ny BNI sy ny FOM

Miara-dalana hanohana sy hamatsy ny orinasa tena madinika sy salantsalany (TPME) ny BNI Madagascar sy ny Fikambanan’ny Orinasa Malagasy (FOM), ho fampiroboroboana ny fandraharahana sy ny toekarena maharitra eto Madagasikara. Vita sonia ny zoma teo, tetsy Analakely, ny fifanaraham-piaraha-miasan’ny BNI Madagascar sy ny Fikambanan’ny orinasa malagasy (FOM) ho an’ny famatsiam-bolan’ny […]