Auteur/autrice : Adnews

Tarika Exo: Seho nanjakan’ny fihetseham-po

Mandalo eto Madagasikara ny tarika Exo. Seho faharoa notontosainy ny tetsy Antsahamanitra, ny faran’ny herinandro teo. Tamin’ny ankapobeny, rakotra fihetseham-po ity fampisehoana «Ho tonga anie ny fanjakanao ity». Na, ireo teny an-tsehatra (mpitendry zavamaneno, mpihira, mpandihy). Na, ny mpijery tonga maro teny an-toerana. Samy nanjakan’io fihe­tseham-po io avokoa. Tao ireo […]

Tarika Kiaka sy Iraimbilanja : Nisongadina be ny fananana traikefa

Nahitana fampisehoana an-tsehatra ankalamanjana indray ny faran’ny herinandro teo. Samy nanana ny mpijeriny. Noho ny traikefa ananan’ny tarika tsirairay, anisan’ny niavaka ny tetsy Antsahamanitra. 30 taona aty aoriana… Notanterahina tao Antsahamanitra, omaly tolakandro, ilay seho lehibe «Mozik’Iray» iarahana amin’ny tarika Kiaka sy ny tarika Iraimbilanja. Tamin’ny 3 ora marina, nanomboka […]

TSELATRA

Zazakely vao teraka hita faty tao anaty tatatra tetsy Bemasoandro Itaosy, ny faran’ny herinandro teo. Olona sendra nandalo no nahatsikaritra zavatra hafahafa tao anaty rano ka nisokitra izany. Nosokafana ny lamba ary zaza tsy nisy aina intsony no hitan’ny olona nifono lamba fotsy. Raha ny fanazavana voaray, narian’ny reniny mbola […]

Saika hanondrana volamena: Teratany Sri-lankais iray tratra tetsy Ivato

Tratra tetsy amin’ny seranam-piaramanidina Ivato ny ny lehilahy iray teratany Sri-lankais saika hanondrana vovo-bolamena 4 kilao, afa­komaly. Saika haondrany hi­voaka an’i Madagasikara, ho any Dubai, izany kanjo izao tratra izao. Nafeniny tao anaty “rice cooker” izay nentiny ireo vovo-bolamena ireo. Noza­razarainy sy notsinjarainy tao anaty harona plastika miisa efatra. Nofonosiny […]

Anosizato : Maty voatifitry ny polisy i Dinabe

Lavon’ny polisim-pirenena ny jiolahy raindahiny teny Anosizato Atsinanana, omaly maraina. Manoloana ny asa fanendahana miharo fandratrana olona eny amin’ny manodidina ataon’ireo jiolahy, nanao fisafoana tanaty elanelan-trano ny ekipan’ny Compagnie urbaine d’intervention (CUI) sy ny Unité d’intervention rapide (UIR). Nifanehatra tamin’ireo mpandroba avy nanao asa ratsy izy ireo. sarona teo am-pizarana […]