Ao anatin’ireo miatrika ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany amin’ny lalaon-tsaina Echecs, sokajy zandriny, i Madagasikara. Eo ho eo ny vokatra, saingy misongadina ny zava-bitan’i Jude Fortun, eo amin’ny “Open U11”. Nandresy mpilalao espaniola roa izy ary manana vokatra tsara. Mitohy hatrany ny fifanintsanana eo amin’ny fiadiana ny ho tompondaka […]
Auteur/autrice : Adnews
Oniversiten’i Toamasina: Natolotry ny Spat ny fotodrafitrasa fidiovana
Natolotry ny orinasan’ny Seranan-tsambon’i Toamasina (Spat), ny faran’ny herinandro teo, ny fotodrafitrasa trano fivoahana sy fidiovana ahitana efitra 12 ka ny telo ho an’ny mpandraharahan’ny oniversité. Ho an’ny mpianatra kosa ny sivy. Fotodrafitrasa natao hahatohitra rivodoza mahery vaika, toa an’i Gezani teo, io fotodrafitra nataon’ny Spat ho an’ny oniversiten’i Barikadimy […]
Association Psy-kôzy: Mikarakara hetsika « Ludothérapie »
«Sondriana mijery na milalao na miresaka amin’ny finday avo lenta (Smartphone) daholo ny ankabeazan’ny olona amin’izao fotoana. Na ankizy io na tanora na olon-dehibe. Vao mifoha, ny maraina, efa raiki-tapisaka eo am-pototry ny finday ary tsy mifarana izany raha tsy alina ny andro. Misy ny sasany tsy mahita tory mihitsy […]
Fahasalaman’ny saina : “Mila fehezina ny zavatra mitondra amin’ny fiankinandoha”
Tsy mbola manana antontanisa momba ny olona tratran’ny olana ara-tsaina ny eto Madagasikara. Ny zavatra misongadina dia miha tanora ireo tonga manatona toeram-pitsaboana misahana ny fahasalaman’ny saina. 15-30 taona ny maro amin’ny salantaonan’ireo olona manatona ny mpitsabo momba ny fahasalaman’ny saina eto Madagasikara, araka ny nambaran’ny profesora Raharivelo Adeline, neuropsychiatre […]
« Afromada Music Awards »: Nahazo loka roa i Basta Lion
Misongadina ny mozika malagasy. Sokajy maromaro no lasan’ny Malagasy mpanakanto, nandritra ilay hetsika «Afromada Music Awards» andiany faharoa, izay natao teto Antananarivo, ny faran’ny herinandro teo. Niavaka tamin’ny maro i Basta Lion, izay nahazo ny «prix d’or Afromada 2026», izay sokajy natao ho an’ny mpanakanto misongadina manokana. Mbola lasany ihany […]





