Nohitsin’ny minisitry ny Serasera sy ny kolontsaina (MSK), i Volamiranty Donna, ny eo anivon’ny fanoherana, ny faran’ny herinandro teo. Nametra-panontaniana mihitsy aza ny tenany. “Inona ireo fampandrosoana mba nentin’ny mpanohitra?”, hoy izy. Nomeny lesona sy fampahatsiahivana ny eo anivon’ny fanoherana. Fampandrosoana no tokony himasoan’ireo antoko mpanohitra fa tsy fanakorontanana lava […]
Auteur/autrice : Adnews
Oniversite sy ny MFFT : Hiaraha-miatrika ny fiovan’ny toetr’andro
Miady amin’ny fiovaovan’ny toetr’andro ny oniversite. Miara-miatrika aminy amin’izany ny minisiteran’ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany. Samy nitondra ny traikefany sy nifampizara momba ny fiatrehana ny fiovaovan’ny toetr’andro ireo mpampianatra mpikaroka, mpianatra, foibe fikarohana ary ny mpiara-miombona antoka. Fa teo koa sady niahy izany ny eo anivon’ny minisiteran’ny Fitsinjaram-pahefana […]
Ambohibary Moramanga: Tohodrano hanondraka tanimbary 1 000 ha
Miara-miombon’antoka ny fanjakana malagasy sy ny orinasa sinoa, Sinomach, miaraka amin’ny teknisianin’ny Akademia sinoa misahana ny siansa ny fambolena any Hainan. Mifantoka amin’ny fananganan’ny Sinomach tohodrano lehibe hanondraka tany 1 000 ha any amin’ny kaominina Ambohibary, distrika Moramanga, ny tetikasa. Tanjona ny hahafahana mifehy ny rano, ka hitombo avo roa […]
VAOVAO TAMBATRA
Miisa 2 000 ny zana-kazo voavoly any amin’ny kaominina Imerina Imady, ny sabotsy teo. Nisy ny hazo nambolena manamorona ny sisin’arabe, hanomezana endrika ny tanàna. Mirefy 4,5 km ihany koa ny lalana namboarin’ny fokonolona, mampitohy fokontany telo (Ambohibary, Mandritsara ary Antanimena) sady nambolena hazo zahana sy frêne ». Nitarika ny […]
Toamasina : Ho vita amin’ny oktobra ny « voie rapide »
Vita ny 40%! Mampifandray mivantana ny lalam-pirenena faha-2 sy ny seranan-tsambon’i Toamasina ny arabe «voie rapide», mirefy 9,66 km, ataon’ny orinasa Sinohydro. Nijery ifotony tany an-toerana ny minisitry ny Asa vaventy, Rafidison Richard Théodore, ny faran’ny herinandro teo. Nambarany fa mahavelombolo ny fizotry ny asa, satria latsaka kely ny 40% […]




