Auteur/autrice : Adnews

Fandanjana fiarabe : Tsy misy intsony ny fandeferana folo isan-jato

Miverina amin’ny asany indray ireo toby fandanjana fiarabe eny amin’ny lalam-pirenena faha-2, nanomboka ny herinandro lasa teo. Voakasik’izany ny eny Ambohimalaza (Antananarivo) sy ny any Antsarakofafa Toamasina. Tafapetraka ary efa miasa ny fitaovana vaovao fandanjana (pèse essieux fixe), tamin’ny alalan’ny tetikasa PDDR, famatsiam-bola Banky iraisam-pirenena. Miasa andro sy alina, isan’andro, […]

INDRAY MIJERY

Efa any amin’ny 150km atsimon’ny Cap ste marie no nisy ny foiben’ilay rivodoza Honde, omaly. Mikisaka manalavitra ny morontsiraka izy io saingy mbola manova ny toetry ny andro ny rahona miaraka aminy. Nahazo fampitandremana amin’ny habetsahan’ny rotsakorana kosa ny faritra Boeny, sy ny distrikan’i Mampikony, Boriziny, Antsohihy, Analalava ary Besalampy. […]

Hakan’ny mpianatra traikefa : Mijoro ny fikambanana ES.DES

Nampahafantarina tamin’ny fomba ofisialy, ny alakamisy teo, tetsy Fiadanana, ny fijoroan’ny fikambanan’ny mpi­anatra eo anivon’ny sekoly tsy miankina ES.DES. Mba hahafahan’ny mpianatra mifanampy sy mifampizara traikefa amin’ny fianarana sy amin’ny sehatra marolafy ny antony nananganana io fikambanana io, raha ny fanazavan’ny tomponandraikitry ny sekoly. Tanjona ny hahafahan’izy ireo maka traikefa […]

Fanabeazana : Nitondra tohana ny avy amin’ny Unesco

Nihaona tamin’ny minisitry ny Fanabeazam-pirenena, Sahondrarimalala Marie Michèlle, ny talem-paritry ny Unesco aty Afrika Atsinanana, Haxthausen Louise. Nanamafy ny fiaraha-miasa amin’ny fanatsarana hatrany ny sehatry ny fanabeazana eto Madagasikara ny roa tonta. Nanolotra fitaovana informatika, nahitana solosaina miaraka amin’ny fitaovana fitehirizana antontan-drakitra entina hanatanterahana ny asa eny anivon’ny minisitera sy […]

Midina ny rano : Miverina amin’ny tranony tsikelikely ny traboina

Efa midina be ny rano amin’ny toerana iva eto Antananarivo taorian’izay andro maromaro tsy nisian’ny ora-mikija izay.Mody tsikelikely ireo traboina Efa miverina any an-tokantranony tsikelikely ireo traboina. Mamonjy ny akany izay tsy maintsy nilaozana rehefa dibo-drano tsy azo niainana. Toy ny eny Ampefiloha Ambodirano, efa tsy misy traboina intsony ny […]