Nivoaka tamin’ny fomba ofisialy, omaly, ireo tanora 15 avy amin’ny faritra manerana ny Nosy niofana momba ny fanatsikafonana. Fiofanana naharitra telo volana, nokarakarain’ny ONG Malina, hampianarana sy hizarana traikefa amin’ireo tanora liana sy efa misehatra amin’ny asa fanaovan-gazety. Tao anatin’izay fotoana izay, nandalina sy nianatra ary niofanana momba ny tontolon’ny […]
Auteur/autrice : Adnews
GFEM: Manana faharetana ny vehivavy mpandraharaha
Mitohy ny fankalazan’ny Vondron’ny vehivavy mpandraharaha eto Madagasikara (GFEM) ny faha-10 taona nijoroany. Efa natombony tamin’ny hetsika teny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato, ny marsa 2026, ny fankalazana. Manatanteraka kongresy nasionaly indray ny fikambanana, anio 17 sy rahampitso 18 septambra, etsy amin’ny hotely Delta Antananarivo. Anisan’ny mpanohana ity kongresy ity ny Airtel, […]
Toekarena mihodina : Ifantohana ny fanodinana ny fako plastika
Havadika ho loharanom-bola ny fanodinana ny fako plastika, fa tsy ho tsindry sy olana ara-tontolo iainana. Tanjona ny hanatanterahana ny Toekarena mihodina. Miisa 12 tamin’ny 50 ireo nandroso tetikasa no nosafidiana hahazo tohana avy amin’ny Tetikasa ExPloi (Expédition plastique océan Indien). Fanohanana sy fampiofanana ara-teknika, fanohanana amin’ny fandrafetana tetikasa sy […]
FANTINA sy FINTINA
Efa miomana amin’ny fihaonana an-tampony eo amin’i Rosia sy Afrika ny Rosianina. Nitsidika ny filoham-panjakana, ny Kly Randrianirina Michaël, teny Iavoloha, ny mpiandraiki-draharaha eo anivon’ny masoivohon’i Rosia, Alexei Buriak. Voaresaka ny fiaraha-miasan’ny firenena roa tonta sy ny fiaraha-miasan’i Rosia amin’ireo firenena afrikanina. Miangavy mafy ny mpitondra sy ny rehetra ny […]
Antenimierampirenena : Hanomboka anio ny fivoriana tsy ara-potoana
Araka ny didim-panjakana 2026-2155, hivory tsy ara-potoana ny Antenimierampirenena hanomboka anio, eny Tsimbazaza. Miisa 17 ireo volavolan-dalàna hodinihina. Anisan’izany, ohatra, ny volavolan-dalàna 002/2026 tamin’ ny 15 janoary 2026, anaovana ny sata fiarovana ny fizaka-manana ara-indostrialy eto Madagasikara. Eo koa ny volavolan-dalàna 018/2026 tamin’ny 2 jona 2026, anomezan-dalana ny fankatoavana ny […]





