Auteur/autrice : Adnews

Barikadimy : Vita ny kianja fanaovana basikety

Fotodrafitrasa maro ao amin’ny Oniversiten’i Barikadimy no nasiana fanamboarana, araka ny fampanantenan’ny filohan’ny Fanavaozana ny Repoblikan’i Madagasikara, ny kolonely Randrianirina Michaël, nandritra ny fandalovany tany an-toerana, taorian’ireny rivodoza ireny. Vokany, nandray an-tanana ireo fotodrafitrasa maro ny seranan-tsambon’i Toamasina Spat (Societé du port à gestion autonome de Toamasina). Ny sabotsy 2 […]

INDRAY MIJERY

Nomarihina omaly ny Andro maneran-tany ho an’ny mpampivelona. Ny asan’izy ireo izay fototra iorenan’ny fiarovana ny ain’ny reny sy ny zaza ary anisan’ ny singa lehibe amin’ny fanatsarana ny fahasalaman’ny vahoaka malagasy. Tanterahina any amin’ny faritra Anosy ny ivon’ny fankalazana. Manentana ny ray aman-dreny ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena hanatitra ny kopia […]

Fikambanan’Imady Miray : Hatao eny amin’ny Coliseum ny savika

Hiakatra sehatra ambonimbony kokoa ny kolontsaina savika, karakarain’ny fikambanan’ny terak’Imady Miray eto Antananarivo. Amin’ny 31 mey izao, hisy ny hetsika ao amin’ny Coliseum Antsonjombe, miaraka amin’ny kolosavika, araka ny fanazavana nentin’ny filohan’ny fikambanana Imady Miray na Imianta, i Tahianja­nahary Davida. Hanao adisisika amin’ny fampidirana ity kolontsaina ity ao anatin’ny vakoka […]

Rainimbahy Georges : Tsy mitombina ny fanasoketana azy

Nanao fanambarana teto Antananarivo, omaly, ny Firaisankinan’ny terak’Ibara nasionaly (Fitiba) manoloana ny fanelezana vaovao tsy marim-pototra amin’ny tambajotran-tserasera. Momba ny tale jeneralin’ny Agence portuaire maritime et fluviale APMF, ny inspecteur des affaires maritimes Rainimbahy Jacquis Georges, no votoatiny. Andro vitsy taorian’ny fanendrena azy, niely ny vaovao fa izy no tompon’andraikitra […]

Marary ny fitaterana : Miray hina ny mpitatitr’olona sy entana manerana ny Nosy

Natsangana ny firaisankinan’ny mpitatitr’olona sy entana manerana ny Nosy. Ivondronan’ny mpitatitra amin’ny zotra an-dRenivohitra, nasionaly, rezionaly ary ny taxi ville, miaraka amin’ny mpitatitr’entana izany. Marary ny fitaterana eto Madagasikara! Ni­tam­batra ho vovonana iray ny mpitatitra. Hitondra feo tokana ho an’ny mpikambana no antom-pisiany. Lasa faralahy amin’ny fandraharahana ny fitaterana, araka […]