Auteur/autrice : Adnews

TSELATRA

Tsena fivarotan-kazo roa kilan’ny afo tetsy Andravoahangy, omaly tamin’ny 8 ora sy fahefany maraina. Niainga tao amin’ny fivarotan-kazo iray, tao anatiny, ny afo. Tonga teny an-toerana ny vondrona mpamonjy voina vantany vao nahazo antso. Vokany, trano hazo roa no kilan’ny afo tanteraka niaraka tamin’ny entana sy fanaka tao anatiny. Voafehy […]

Famonoana zaza dimy taona : Lehilahy iray matin’ny fitsaram-bahoaka

Nitrangana fitsaram-baho­aka tany Vohitsara, Ampom­by, distrikan’i Mandritsara, faritra Sofia, omaly maraina. Lehi­lahy iray, antsoina hoe: Nar­cisse, no voalaza sy voaendrikendrika ho nandray anjara tamin’ny famonoana zaza dimy taona tamin’ny fomba feno habibiana, ka niharan’ny hatezeram-bahoaka. Niroho­tra nisambotra azy io ny andian-dehilahy an-jatony. Raikitra ny fifanenjehana ary niafara tamin’ny fitsaram-bahoaka ka […]

Talata Volonondry : Fasana telo nasesin’ny jiolahy

Niparitaka avokoa ny fonosana nisy ny taolam-balon’ireo razana efa nilevina tao anatin’ny fasana miisa telo tao Amparafara, kaominina Talata Volonondry, afakomaly. Tsikaritry ny mpandalo ny fisokafan’ny varavaram-bato tamin’ny fasana iray tao an-toerana ka nampandre avy hatrany ny fokonolona izy. Nijery ifotony ny zava-nisy ny tomponandraikitra eo anivon’ny fokontany voakasika sy […]

Nokapaina zava-maranitra : Nentin’ny olon-dratsy ny lohan’ilay ramatoa

Hifampitadiavana ny lohan’ilay renim-pianakaviana nisy namono, omaly. Tompon’ny trano fivahiniana Jardin de la Mer ao Mananjary ity lasibatra. Notombohana zava-maranitra ny tendany. Maty nisy namono ny renim-pianakaviana iray, tao ambonagny, kaominina Manajary. Hita tao an-tranony, omaly maraina, ny razana, izay efa tsy nisy loha. Tompon’ny hotely Jardin de la mer […]