Auteur/autrice : Adnews

Baolina Kitra – “Yas Coupe de Madagascar” : Nofaranan’ny Ajesaia ny dian’ny Disciples Fc

Notontosaina ny faran’ny herinandro lasa teo, ny ampahavalon-dalan’ny fiadiana ny amboaran’i Madagasikara, ta­ranja baolina kitra, Yas Coupe 2026. Maro ireo klioba sangany mbola manohy ny diany amin’ity fifanintsanana ity, anisan’izany ny Elgeco Plus, tompon’ny amboara farany, ny CFFA Andoharanofotsy, tompondakan’i Madagasikara, ny Cosfa Miaramila, ny Fc Rou­ge, izay nandresy tsy […]

Basikety – Fifanintsanana «Mondial 2027»: Laharana fahefatra ny Ankoay Madagasikara

Ratsy ny vokatra ho an’ny Ankoay Madagasikara, teo amin’ny fifanintsanana hiadiana ny tapakila hiatrehana ny ho tompondaka maneran-tany, taranja basikety lalaovina olona dimy, sokajy lehilahy. Faharesena intelo no azon’ny ekipam-pirenena malagasy. Nifarana omaly, tao amin’ny kianja Stadium Marius Ndiaye, tao Dakar Senegal ny fifanintsanana hiadian-toerana «3ème fenêtre» ho an’ny “Mondial […]

Mondial 2026 : Efa-taona aty aoriana hiverina hidona i France sy i Maroc

Hifanandrina indray i France sy i Maroc eo amin’ny fiadiana ny ho tompondaka eran-tany “Mondial”. Amin’ity, hiady ny tapakilan’ny manasa-dalana, ny roa tonta. Hanala vela ny maraokanina izay hany ekipa afrikanina, indroa tafita eo amin’ny ampahefa-dalana. Anisan’ny lalao hanamarika ity “Mondial 2026” ity ny ampahefa-dalana hikatrohan’ny Les Bleus France sy […]

INDRAY MIJERY

Nisitraka fitaovana ireo laboratoara eny ani­von’ny hôpitaly lehibe. Nahazo izany ny CHU Analankininina sy ny CHU Morafeno ao Toamasina. Vokatra azo tamin’ny alalan’ny Tetikasa PPSB, sy voarindran’ny UCP ary vatsian’ny Banky iraisam-pirenena vola izany. Tanjona ny hanatsarana ny kalitaon’ny fahasalamana hositrahan’ny vahoaka. Bus 84 isa no hiasa hitatitra ireo mpianatra […]

Fanadinana BEPC : Tsy handefitra amin’ny hosoka ny fanjakana

Miatrika ny fanadinana BEPC ireo tanora miisa 327 815 manerana ny Nosy, manomboka androany. Ho­santarina amin’ny taranja Malagasy izany, izao maraina, izay haharitra ora 3 mahery. Hitohy amin’ny taranja SVT ny tolakandro. Nanantitrantitra ny fanjakana ny amin’ny maha zava-doza ny fanaovana karazana hosoka amin’ny fanadinam-panjakana. Voarara ny misolo mpiadina na […]