Auteur/autrice : Adnews

Foaran’ny ankizy : Nanampy amin’ny fitadiavana sekoly

Nanampy betsaka ny ray aman-dreny amin’ny fitadiavana sekoly ho an’ny zanany mbola kely ny “Foaran’ny ankizy sy ny fanabeazana” (salon de l’enfance et de l’éducation), natao tetsy amin’ny Ibis Ankorondrano, ny sabotsy teo. Andiany faharoa, nokarakarain’ny PolyForm Academy. Tanjona ny hanampiana ireo ray aman-dreny mitady sekoly ho an’ny zanany mbola […]

Fanabeazana : Maro ireo laharam-pahamehana sy maika

Niresaka ireo laharam-pahamehana mahakasika ny fanabeazana ny minisitra ary nanasongadina ireo asa maika sy ny tatitry ny asa vita. Nandritra ny fihaonan’ny solombavambahoaka tamin’ireo mpikambana ao amin’ny governemanta ny faran’ny herinandro teo no niresahana momba ny fandraisana mpampianatra, ny tambin-karama, ny fampitaovana an-tsekoly ary ireo tetikasa fanabeazana tanterahin’ny minisitera. Nohazavain’ny […]

TARATRY ny KANTO

Notolorana mari-pankasitrahana manokana i Darya Poleschuk. Mpitendry piano rosianina, tonga nizara ny fahaiza-manaony sy ny traikefany tamin’ireo mpampianatra sy mpianatry ny Akademiam-pirenena misahana ny zavakanto sy ny kolontsaina na ny Anac izy. Manan-talenta, indrindra amin’ny mozika klasika ity mpanakanto ity, ka hanampy amin’ny fivelaran’ireo mpanakanto mpianatra eto Madagasikara aoriana kely […]

Académie Arts-Sciences-Lettres- France : Nahazo ny medaly volamena i Ilo Rakoto

Misongadina amin’ny maro. Nahazo ny mari-pankasitrahana fara tampony noho ny filofosany amin’ny mozika i Ilo Rakoto, mpiangaly piano, teratany malagasy. Nandingana tsikelikely ny zana-tohatra rehetra. Vaovao lehibe, kanefa tsy nahagaga ihany koa satria tena mendrika ho an’i Ilo Rakoto ny nahazoany ny medaly volamena avy amin’ny Académie Arts-Sciences-Lettres any France. […]

VAOVAO TAMBATRA

An-dalam-pananganana ny tobim-pamokarana herinaratra azo avy amin’ny herin’ny masoandro hamatsy ny Sekoly ambony ao Vontovorona ny Jirama amin’izao fotoana, hamaliana ny filan’ny mpianatra. Efa tafapetraka kosa ireo “onduleurs” sy takela-masoandro miisa 2600 raha toa ka efa ao Mandroseza ihany koa ny vata mpanova herinaratra. Andrasana amin’ity herinandro ity ny fifanarahana […]