Nahoraka tamin’ny gazety lehibe tao Frantsa, nanomboka afakomaly, ny mahakasika pretra iray, teratany malagasy. Voalaza ho nanodikondim-bola tao amin’ny paroasy izay notantanany izy. Niasa tao amin’ny fiangonana ambanivohitr’i Paulhaguet, Faritra Auvergne-Rhône-Alpes, any Haute-Loire izy. Nitentina 5000 hatramin’ny 6000 Euros, ny vola izay nangalariny tao amin’ny kitapom-bolan’ny fiangonana. Vola azo amin’ny […]
Auteur/autrice : Adnews
Nirefodefotra ny basy teny Ivandry : Narahana “drones” ny filohan’ny Fanavaozana
Indroa alina misesy izao, no voalaza fa narahana ”drones” ny fiara nitondra ny Kly Randrianirina Michaël, raha izy hamonjy fodiana. Hitan’ny mpiambina izany halina ka raikitra ny tifi-danitra, teny Ivandry Namoaka fanambarana ofisialy, halina ny talen’ ny seraseran’ny Fiadidiana ny Fanavaozana. Voalaza tamin’izany fa indroa alina misesy izao dia misy […]
Fimpima Antsirabe: Namoaka ny andiany « Loharano »
358 mianadahy ny andiany Loharano navoaka tamin’ity fotoana ity ary 89 ireo noraisina ho mpikambana raikitra. Hanatevina ny Fikambanan’ny mpikabary Malagasy na ny Fimpima, faritany Antsirabe, izy ireo. Natomboka tamin’ny diabe niainga teo amin’ny tranompokonolona Antsenakely, namakivaky ny tanàna ary nifarana teo anoloan’ny tsangambato no nanamarihana ny famoahana ny andiany […]
TARATRY ny KANTO
Hisy ny velakevitra manodidina ny tantaran’ny mpanjakavavy Ranavalona III. Hotontosaina anio, amin’ny 10 ora maraina izany, eny amin’ny AFT Andavamamba. Ny marimarina kokoa, ny tantaran’ny mpanjaka, araka ireo sary voarakitra, izay ny ankamaroany fony izy tany an-tsesitany. Hamelabelatra izany i Helianta Rajaonarison, mpampianatra mpikaroka tantara eo anivon’ny oniversiten’Antananarivo. « Cabaret » hanehoana […]
Hira evanjelika : Hanao ny « Tour du Sud Mada » i Zook Davids
Hanomboka ny faran’ity herinandro ity ilay fampisehoana hitetezan’i Zook Davids ny faritra atsimon’ny Nosy. Sabotsy 4 jolay, manomboka amin’ny 3 ora tolakandro, ao amin’ny Kianja fanaovana basikety kaominina Ambohimahasoa. Talata 7 jolay, manomboka amin’ny 3 ora tolakandro, seho lehibe ao amin’ny Kianja fanaovam-baolina Ranomafana. Tolakandron’ny alakamisy 9 jolay, ao amin’ny […]




