Auteur/autrice : Adnews

Foaran’ny fampindramam-bola : Hanohanana ireo mpandraharaha

Hatao eny amin’ny CCI Ivato, ny 10 sy 11 jolay 2026 izao, ny andiany faharoa amin’ny “Foaran’ny fampindramana sy fampiasam-bola” (Foire aux crédits et investissement). Izay karakarain’ny Assist & Co. Nampitondraina ny lohahevitra hoe: “Finance et technologie”. “Tsy afa-miala amin’ny teknolojia intsony isika ary izany indrindra no avoitra amin’ity taona […]

Famokarana : 70 tapitrisa dolara hanarenana ny Siranala

Andrasana ao anatin’ny telo herinandro ireo vahiny mpampiasa vola hanao fanadihadiana ara-teknika ny orinasa Siranala (Sucrerie industrielle d’Analaiva) ao amin’ny Faritra Menabe. Hetsika tafiditra amin’ny dingana voalohany hanarenana ity orinasa malagasy mpamokatra siramamy ity. Mitentina 70 tapitrisa dolara ny fampiasam-bola ilaina amin’ny dingana voalohany, tetikasam-panarenana ny orinasa. Haharitra 18 ka […]

FANTINA sy FINTINA

Nambaran’ny filohan’ny Antenimierampirenena, Randrianasoloniaiko Siteny, nandalo tany Morondava, Faritra Menabe, ny fiandohan’ny herinandro teo, fa vonona izy hanampy ny Faritra. Amin’ny alalan’ny fahatongavan’ireo depiote 40 any ho any voafidy tany an-toerana tonga tamin’ny fankalazana ny Andro maneran-tany ho an’ny tontolo iainana izany. Manan-danja ny tontolo iainana ary tsy zanak’Ikalahafa i […]

Ady amin’ny kolikoly : Miroso amin’ny fanombanana i Madagasikara

“Mandroso eo ambany fitarihan’ny filoha ny Fanava­ozana ny Repoblika”, hoy ny Praiminisitra Rajaonarison Mamitiana, nandray ny delegasionin’ny Firenena mikambana (ONU) misahana ny zava-mahadomelina sy ny heloka bevava (ONUDC), teny amin’ny Lapan’i Mahazoarivo, omaly. Solontena avy any Djibouti sy Tanzania izy ireo, hanao tombana ny fampiharan’i Madagasikara ny fepetra ao amin’ny […]

Fampielezan-kevitra!

  Mandeha tsara, na ato anatiny na any ivelany, ny fitetezam-paritra ataon’ny mpitondra. Ny diplaomasia aloha tena miroborobo sy mamirapiratra aoka izany. Ny ato anatiny indray, mainka misongadingadina eny ny bokotra sy ny ekipany. Inona moa fa mibaribary ny fitohizan’ny raharaham-panjakana. Mandeha ny fihainoana ny hetahetam-bahoaka. Mitohy ny fitokatokanana ny […]