Auteur/autrice : Adnews

“Lalao Olympika Paris 2024” : Atleta fito mianadahy hisolo tena an’i Madagasikara

Manana atleta afaka miaro ny voninahi-pirenena any Paris i Madagasikara. Miisa fito mianadahy izy ireo no fantatra fa hiatrika ny “lalao Olympika 2024”. Nahazo taratasy fanasana manokana ny efatra amin’izy ireo. Maro ny fifaninanana iraisam-pirenena nandraisan’i Madaga­si­ka­ra anjara. Vokatr’izany, miisa fito ireo Malagasy atleta hiaro ny voninahitr’i Madagasikara, amin’ny “lalao […]

Fanabeazana ara-pananahana feno: «Tokony hifanaraka amin’ ny kolontsaina sy sosialy»

Tokony hatao mifanaraka amin’ny zava-misy ao anatin’ ny firenena iray amin’ny lafiny kolontsaina sy sosialy ny votoatin’ny fanabeazana ara-pananahana feno (éducation sexuelle complète). Io ny toromariky ny Tahirin’ny Firenena mikambana momba ny mponina (UNFPA), izay miara-mi­asa amin’ny firenena maro aty Afrika amin’ny fahasalamana ara-pananahana sy ny fanabeazana aizana, hoy ny […]

Fahadiovana sy fidiovana: misoroka ny fahazoana aretina ny fanasana tanana

Nomarihina omaly tetsy amin’ny HJRA ny andro iraisam-pirenena amin’ny fanasana tanana amin’ny savony. Fo­to­ana hampahatsiavina ny re­he­tra ny maha zava-dehibe ny fanasana tanana izay fihetsika tsotra kanefa mahavonjy aina ary miaro amin’ny aretina maro. Nambaran’ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka, fa azo sorohina amin’ny fanasana tanana avokoa ny 50%-n’ny aretina. Anisan’izany ny aretim-pivalanana […]

Tetikasa Creative Minds: Omen-danja ny tontolo ara-kajy mirindra

Fitrandrahana ny talentan’ny tanora amin’ny tontolo ara-kajy mirindra no tanjona amin’ny tetikasa “Creative Minds”. Efa maro ireo tanora mivelatra an’izany sehatra izany ary mila tosika. Hotanterahina eny Ando­ha­tapenaka ny 31 mey izao ny hetsika karakarain’ny tetikasa “Creative Minds” izay hanomezana sehatra ny tontolo ara-kajy mirindra eto Madagasikara. Homena tosika sy […]