Misitraka fotodrafitrasa maro ny mponina any amin’ny kaominina Ambohimasina, distrika Arivonimamo, faritra Itasy. Nanohana ny tetikasa ny fandaharanasan’ny Firenena mikambana ho an’ny fampandrosoana (Pnud) sy ny mpiara-miombon’antoka maro. Anisan’izany ny tohodrano vita « béton », afaka manondraka lemaka 80 ha, ahafahana mamboly vary sy legioma. Tohodrano vita tamin’ny tany ny teo taloha, […]
Auteur/autrice : Adnews
Airtel Africa : nitombo hatrany ny fampiasam-bola
Miabo ny vokatra tao anatin’ny enim-bolana, vitan’ny orinasa Airtel Africa, izay nifarana ny 31 marsa 2024 teo, na teo aza ny tontolo ara-toekarena ankapobeny tsy marin-toerana. Manamarina izany ny fitomboana 9% ny isan’ny mpanjifa, mahatratra 152,7 tapitrisa. Nahatonga izany ny fampihenana ny saran’ny famandrihana, ka lasa niakatra 17,8% ny mpamandrika […]
SOMBIM-BAOVAO
Hotanterahina ny faran’ny herinandro aho avy izao ny lalao ampahefa-dalana miverina amin’ny fifaninanam-pirenena, «Coca Cola Pureplay Football League», taranja baolina kitra. Anisan’ny fihaonana tena andrasan’ny maro ny fifanandrinan’ny Fosa Juniors Boeny sy ny Elgeco Plus de Madagascar. Mbola manala vela ny Fosa. Hotontosaina rahampitso ny fifaninanana nasionaly, taranja hazakazaka lavitra […]
Atsimondrano Champions League : hiady ny 4 tapitrisa Ar ny Samada sy Valence FC
Tonga amin’ny famaranana ny andiany faharoa amin’ny fiadiana ny «Atsimondrano Champions League» (ACL 2024), taranja baolina kitra. Hotanterahina eny amin’ny kianja manara-penitra Antaninkatsaka Itaosy izany, rahampitso alahady 26 mey 2024. Fifaninanana karakarain’ny Atsimondrano Action sport sy Ratsivahiny Andry. Hiady ny lelavola 4 tapitrisa Ar amin’izany ny FC Samada Soavina sy […]
Fiofananana CAMS : mpianatra fito nahazo diplaoma
Notanterahina teny amin’ny biraon’ny Komity Olympika Malagasy (COM), Alarobia Ivandry, omaly, ny lanonana fanolorana diplaoma ho an’ireo mpianatra fito mianadahy, enina lahy sy vavy tokana, andiany ILO. Nanaraka fampianarana “Cours Avancé en Management du Sport (CAMS)”, nandritra ny fito volana, izay karakarain’ny COM izy ireo. Voafidy ho ray mpiahy ireto […]




