Auteur/autrice : Adnews

Baolina kitra –1/8 Yas Coupe 2026: Mbola hihaona indray ny Ajesaia sy ny Disciples FC

Efa fantatra avokoa ireo ekipa mpifanandrina mandritra ny ampahavalon-dalan’ny amboaran’i Madagasikara, « Yas Coupe », taorian’ny antsapaka nataon’ny Federasionina malagasin’ny baolina kitra (FMF) tao amin’ny pejiny, omaly. Mbola hihaona indray eo amin’ny ampahavalon-dalan’ny fiadiana ny amboaran’i Madagasikara, ta­ranja baolina kitra, «Yas Cou­pe 2026», ny Ajesaia Bongo­lava sy ny Disciples FC Vaki­nankaratra. Tsiahivina […]

Fiahiana ny fahasalaman’ny mpiasa: Nahazo fotodrafitrasa vaovao ny ESIA

«Nifindra toerana eny Ambohidroa, Andranomena ny Ivontoerana mikarakara ny fahasalaman’ny mpiasa ESIA, hahafahana manatratra ny tanjona hanakaiky kokoa ny mpikambana ka tsy hanahirana ny mpiasa ao amin’ny orinasa ny hanatona ny fitsaboana», hoy ny mpitsabo mpandrindra ny ivontoerana, Rabetsoa Eddy, omaly. Eo koa ny fanatsarana, hanomezana tolotra mifanandrify amin’ny filan’ny […]

INDRAY MIJERY

Araka ny didim-pitondrana laharana faha-195/mid/pref.pol.tana/osp.26 navoakan’ny prefektioran’ny polisy Antananarivo, ny 12 jona 2026, dia voarara tanteraka ny fampiasana tsipoapoaka sy « laser » rehetra. Toy izany koa, ny fanaovana na filalaovana fitaovana hafa mitovy endrika amin’ireo, indrindra eny Ivato izay manelingelina ireo mpanamory fiaramanidina. Ny fandikana ny fepetra voalazan’ity didim-pitondrana […]

Madagascar National Parks : Hamaritra lova ho an’ny taranaka ny 35 taona hoavy

Nosokafana tamin’ny fom­ba ofisialy omaly, tetsy Anko­rondrano, ny fankalazana manetriketrika ny faha-35 taonan’ny Madagacar National Parks (MNP) izay notronin’ny Praiminisitra lehiben’ny governemanta, Rajaonarison Mamitiana…. “Fanorenana ny 35 taona lasa, famaritana ny lova ho an’ ny taranaka kosa ny 35 taona manaraka manomboka eto”, hoy ny tale jeneralin’ny MNP, Rakotoarisoa Ony. […]