Auteur/autrice : Adnews

Famokarana rano eto Antananarivo: Hiakatra ho 42 000 m3 isan’andro hatramin’ny faran’ny volana

Notanterahina omaly, teny Anosy, ny atrikasa fampahafantarana ny vokatry ny Drafitra fototra momba ny famatsian-drano madio fisotro ho an’Antananarivo sy ireo kaominina 37 manodidina. Tafiditra amin’ny tetikasa fanatsarana ny fahazoana rano madio fisotro (Paaep), tanterahin’ny minisiteran’ny Rano, fanadiovana sy fidiovana ary tohanan’ny Banky iraisam-pirenena izy io. Nambaran’ny ekipan’ny Jira­ma sy […]

« Island Vibes Festival » : Hetsika ara-javakanto iraisam-pirenena any Toamasina

Hanana «Festival» vaovao hanampy ny efa misy i Toa­masina. Nampahafantarina omaly ny «Island Vibes Festi­val», izay hatao ny 17 hatramin’ny 19 jolay izao, ao amin’ny tokotanin’ny Arena Toama­sina. « Fa maninona no any ? Satria tokoa saika taty Anta­na­narivo io no natao tany am-boalohany. Izaho kosa monina any Toamasina efa ho roa […]

« Andro iray, kolontsaina arivo »: Haverina ny kilalao malagasy fahiny

Hotanterahina anio, manomboka amin’ny 9 ora maraina, eny amin’ny Kianjan’Andohalo ilay hetsika lehibe tafiditra ao anatin’ny fankalazana ny fiverenan’ny fahaleovantenam-pirenena. «Andro iray, kolontsaina arivo», hamerenana sy hampahafantarana indray ireo kilalao fanaon’ny Malagasy fahiny. Tafiditra ao anatin’izany ny fanorona, katro, vitsilihy, fampiadiana ravina, sns. Ankoatra ireo, hisy ny fampianarana mamboatra harendrina. […]

VAOVAO TAMBATRA

Mahatratra 160 taona ny fiaraha-miasa ara-barotra eo amin’i Madagasikara sy Etazonia, ankehitriny. Fifandraisana maharitra niteraka tombontsoa mivantana ara-toekarena ho antsika. Misokatra ho an’ny Malagasy mpandraharaha ny tsena amerikanina ka manome sehatra vaovao ho an’ny fanondranana vokatra sy ny fampiroboroboana ny famokarana. Mahazo tombontsoa manokana amin’ny fiaraha-miasan’ny roa tonta ireo vokatra […]

Fampandrosoana : Famatsiam-bola 57 tapitrisa euros avy amin’i Frantsa

Fanaovan-tsonia telo so­sona no nataon’ny minisitry ny Toekarena sy ny fitantanam-bola (MEF), ny Dr Ramiarison Herinjatovo Aimé, sy ny talen’ny Antokon-draharaha frantsay ho an’ny fampandrosoana (AFD), omaly. Famatsiam-bola mitotaly 57 tapitrisa euros, mitsinjara sehatra telo. Voalohany, fanampiana ny tetibola mitentina 4 tapitrisa euros, ho an’ny tetikasa mifantoka amin’ny fahasalamana, ny […]