Miha mitombo ny fanaovana sy fivarotana horontsary mamoafady amin’ny alalan’ny internet. Namoahan’ny polisim-pirenena fikarohana mahakasika izany ny olona efa-mianaka, omaly. Nahitana mpivady sy ny zanany roa lahy. Loham-piampangana hanenjehana azy ireo ny fikambanana sy firaisana tsikombakomba amin’ny famokarana sy fivarotana horonantsary mamoafady amin’ny alalan’ny internet, izay ampiasana sy ahitana zaza […]
Auteur/autrice : Adnews
Nahatrarana fehezan-drongony an-jatony: Notanana vonjimaika am-ponja ireo roa lahy
Niakatra fampanoavana omaly, notanana vonjimaika any am-ponja ireo roa lahy tompon’antoka tamin’ny fahatrarana rongony 147 fehezana, tao Toamasina, ny 13 jona teo. Taorian’ny asa nataon’ny polisim-pirenena hiadiana amin’ny fiparihan’ny zava-mahadomelina ao amin’ny faritra Atsinanana, voasambotra ny lehilahy miisa roa, ny 13 jona lasa teo. Efa mpivarotra rongony ireo olona ireo […]
Moto telo nifandona : Olona roa namoy ny ainy, roa hafa naratra mafy
Nifandona tetsy Andraharo ny moto miisa telo, omaly tamin’ny 1 ora maraina. Maty tsy tra-drano, nandritra izany, ny tovolahy iray anisan’ny namily ny iray tamin’ireo kodiaran-droa. Tsy tana koa ny ain’ilay tovolahy iray izay nentina avy aoriana rehefa tonga teny amin’ny hopitaly. Nitrangana lozam-pifamoivoizana namoizana aina indray tetsy Andraharo, ny […]
Fetim-pirenena : Sehatra ho an’ny kanto marolafy ny etsy Mahamasina
« Podium », sehatra ho an’ny mozika no nahafantarana ny etsy amin’ny Kianja Mahamasina hatrizay, Niova kely kosa ny amin’ity. Natao ho sehatra ho an’ny kolontsaina marolafy, izay noraisin’ny Ofisim-pirenena misahana ny zavakanto sy ny kolontsaina (Ofnac) an-tanana. « Novelarina mba homen-danja avokoa ny seha-kanto izay azo hasongadina: teatira, poezia, sokitra, hosodoko, saripika, […]
Garage Mozika Ultimate Show : Hiray sehatra ry Iraimbilanja, Mage 4, Rheg The Gang
Tafaraka ireo tarika andrarezin’ny mozika rock. Ho fanamarihana ny faha-5 taona nisian’ny Garage Mozika. Ho an’ny firaisankinan’ny rock eto amin’ny tanàna. Hisy ny fampisehoana lehibe nampitondraina ny anarana « Garage Mozika Ultimate show » hotanterahina eo amin’ny Kianja Barea Mahamasina (Parvis 1), ny alahady 5 jolay izao, manomboka amin’ny 2 ora sy […]




